MOFON’AINA ALAROBIA 13 JOLAY 2022

1Paoly, mpifatotra an’i Kristy Jesoa, ary Timoty rahalahy, mamangy an’i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay, 2 ary mamangy an’i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao: 3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. 4 Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ny fivavahako, 5 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’i Jesosy Tompo sy ho an’ny olona masina rehetra, 6 mba hiasa mafy ho an’i Kristy ny fiombonana avy amin’ny finoanao amin’ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo. 7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina, ry rahalahyFILEMONA 1-7

Tsikaritra amin’ny fomba fanoratri Paoly eto fa i Filemona dia:

1- Mpiara-miasa mahafatra-po (and. 1)

« Filemona ay malalanay sy mpiara miasa aminay no filazan’i Paoly azy, izany hoe tena mpiara-miasa mahafatra-po tokoa i Filemona ka tian’ny hafa ny miara-miasa aminy. Tso-po sady tsy sarotra iaraha-miasa, ny dikan’ny anarany rahateo dia hoe « ilay manoroka » ary mifanaraka amin’ny toetrany indrindra! lanao koa meteza ho namana akaikin’ny mpiara manompo aminao ka mba ho « malalan’izy ireo »! Mianara amin’i Jesoa. fa rehefa tsy teo Izy dia nahatsiaro ho banga tanteraka ny mpianany

2- Be fitiavana sady manam-pinoana (and 5)

Hoy i Paoly hoe: « satria reko my fitiavanao sy ny finoana izay anananao… ». Ao anatin’izany no hahatakarantsika fa mahafaly an’i Paoly (izay any am-ponja) ny fandrenesana ny toetran’i Filemona ary tena mampisaotra an’Andriamanitra mihitsy izany! lanao koa, aoka ho feno fitiavana mba hahay hitia ny mpiara-manompo fa nandidian’i Jesoa antsika rahateo anie ny hifankatiavantsika tahaka ny nitiavany antsika e! (Jao. 13 : 34).

3- Azo antenaina (and 7a)

« Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina ry rahalahy ». Tsy fitiavana sy finoana « teorika » ny an’i Filemona fa niseho tamin’ny asa ary izany no nahatonga an’i Paoly sahy manoratra aminy hifona ho an’i Onesimosy mpanompony teo aloha, sy mba handraisany azy indray!

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.