Mofon’aina – TALATA 13 MARTSA 2018

1 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’ ilay manana ny Fanahy fiton’ Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany.2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’ Andriamanitro.3 Dia tsarovy ny amin’ ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.4 Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy.5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ ny bokin’ ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ ny Raiko sy eo anatrehan’ ny anjeliny. 6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
APOKALYPSY 3 :1-6

Anankiray  amin’ny taratasy fito  nalefa  ho an’ny fiangonana fito   no hita eto. Ny  fiangonana tany Sardisy  no nomena  azy. Milaza  ny olona  maty  fahavelony  , izany hoe: manondro  ireo manaram-po  amin’ny fanaovan-dratsy  ny taratasy ka mitarika azy hanorina  izay sisa tsy  maty .

1-Sarobidy  ny fihaonana tamin’ny  Tompo 

Izay  efa  nihaona  tamin’ny Tompo  dia nesoriny  tamin’ny fahalotoana tanteraka. Toy ny olona nanasa ny akanjony  mba ho  fotsy  sy madio  izany. Paoly Apostoly  , rehefa  niova  fo  dia mitondra anaram-baovao  , nasehon’ny  Tompo azy ny fahefany   aminy   ary  lasa mpanompon’ Andriamanitra  na dia efa nanenjika  ny  mpianatry ny  Tompo  aza. Voaova  ho olom-baovao  izay  manatona sy  mibebaka  marina  eo  anatrehan’ Andriamanitra. Aoka  isika  hanome  lanja  ny  andro  nanavaozan’ny Tompo ny fiainantsika sy nanekentsika  ho tia sy hanompo  Azy .

2-Mampahery  ny fiaraha-mandeha  Aminy  

Miara-mandeha amin’ny Tompo  mitafy  lamba  fotsy  ireo  tsy  nandoto  ny fitafiany. Hiara-mandroso   amin’ireo  koa isika  raha  maharesy  ny fitaoman-dratsy  sy ny fakampanahy alefan’ilay ratsy  handotoany  antsika . Voasoratra  anarana  eo  amin’ny bokin’ny  fiainana  izay vita  fihavanana sy efa miara-mandeha  amin’ny Tompo. Mampahery  antsika  hanatona   hodiovin’ny Tompo  amin’ny Rany  mba hahazo  famelan-keloka sady  hotantanany  amin’izay  hatao. Mivavaka sy   manao   ny sitrapon’ny Tompo  ny mpanompony ka ho  hita   ho vavolombelon’ny finoana Azy.

Fanontaniana:

Tsapanao  ve  izay  zava-mahagaga nataon’ny Tompo   teo amin’ny fiainanao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !