MOFON’AINA TALATA 15 FEBROARY 2022

32Ary mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. 33Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. 34Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany. 35Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.MATIO 24:32-35

Ny valin-teny nataon’i Jesoa ny mpianany raha nanatona Azy mangingina hanontany ny amin’ny fotoana hiavian’i Jesoa indray sy ny fiafaran’izao tontolo izao dia maneho fa :

EFA AKAIKY NY FIVERENAN’ I JESOA

1.Satria efa miseho ireo famantarana nambarany

Hoy I Jesoa hoe: « raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy »(and.33). Ny hoe « izany rehetra izany » ambarany eto dia ireo famantarana maro (and 4-31) : ny fisehoan’i Kristy sandoka, adin’ny firenena samy firenena, mosary, horohorontany, fanenjehana noho ny amin’i Jesoa, tsy fankatoavan-dalàna, fangatsiahan’ny fitiavan’ny maro .Ireo rehetra ireo dia miseho mialohan’ny farany, fa tsy maintsy mandre ny Filazantsara avokoa ny nofo rehetra vao ho tonga ny farany. Ary moa ve tsy efa miseho sy atrehantsika avokoa ireo voalaza rehetra ireo ? Handeha àry isika hilofo amin’ny fitoriana ny Filazantsara mba hanafaingana ny fiverenan’i Jesoa ka hifaran’ireo fahoriana rehetra ireo.

2-Ka aoka hiorina amin’ny teniny irery ihany

« Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona » (and 35) ,hoy i Jesoa . Izany dia entiny milaza fa ny teniny ihany no tsy miova, na ny fahefany, na ny fahatanterahany na ny fahamarinany. Taomina àry isika amin’izao andro farany izao mba tena hiorina sy hifikitra mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra, fa sady arofanina tsy hahavoafitaka antsika izany no mitazona ny finoantsika tsy hangozohozo ary hampaharitra antsika hatramin’ny farany amin’ ny fanarahana an’i Jesoa .Na toa inona na toa inona hamafin’ny fanenjehana fa : « izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (and 13), hoy i Jesoa .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.