Mofon’aina – TALATA 15 MAI 2018

8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ ny Zanak’ olona kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra;9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra.10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak’ olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin’ ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’ izany ora izany izay mety holazainareo.
LIOKA 12 :8-12

NY FANEKENA AN’I JESOA KRISTY

1-Ambarao eo  anatrehan’ny  olona 

Ilaina ny fahasahiana  hijoro  sy hanambara  ankarihary  ny fanekena an’i Jesoa Kristy  ho  Tompo sy Mpamonjy  ny tena.Voasoratra fa  « raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary  mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty , dia hovonjena ianao » (Rom 10 :10). Araka izany dia zava-dehibe ny fanekena atao eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fiangonana. Ilàna fahasahiana ny fijoroana vavolombelona ; Tsy  mifidy  toerana ,tsy  mifidy fotoana. Na eo imason’ny fahavalo sy ny hafa finoana aza  dia ilaina  ny  fijoroana  amin’izay  inoana. Aza menatra  ny  ho vavolombelon’ny  Tompontsika (2 Tim 1 :8)

2-Aseho  amin’ny alalan’ny  fitondrantena isanandro

Na amin’ny fiteny , na amin’ny asa, fihetsika , fikasana, ny làlan-kizorana  dia samy  hanehoana ny fanekena an’i Jesoa Kristy : any am-piasana , any am-pianarana, eny an-tanimboly , eny am-pivarotana , eny  amin’ny fiaraha-monina  amin’ny  fiainana andavanandro  dia samy  ijoroana ho mpanompon’i Kristy , araka ny voasoratra hoe : « aoka ho  tonga fianarana ho an’ny mino  ianao amin’ny  fiteny , amin’ny fitondrantena , amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana » (1 Tim 4 :12)

Fanontaniana :

Oviana ary taiza no nanekenao  an’i Jesoa Kristy ho  Tompo sy Mpamonjy  ny fiainanao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !