MOFON’AINA TALATA 18 OKTOBRA 2022

16 Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy. 17 Ary izy niady hevitra tamin’ny Jiosy sy ny proselyta tao amin’ny synagoga sy tamin’izay tafavory tany an-tsena isan’andro. 18 Ary ny olon-kendry sasany tamin’ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty no notoriny. 19 Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay? 20 Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr’izany zavatra izany. 21 (Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin’ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.) 22 Ary Paoly nitsangana teo afovoan’i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra ianareo. 23 Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN’IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, 24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana, 25 sady tsy mba tompoin’ny tànan’olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon’aina ary ny zavatra rehetra; 26 ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany, 27 mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; 28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika. 29 Ary satria terak’Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban’Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona. 30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, 31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.ASAN’NY APOSTOLY 17:16-31

FOMBA FITORY AN’I JESOA SY NY FITSANGANANY TAMIN’ NY MATY

1-Fampahafantarana an’i Jesoa

« …toa mitory Andriamanitra vaovao izy… » (and. 18b) hoy ny filazan’ ny olona sasany niady hevitra momba izay nolazain’i Paoly. Nanaitra ny fahalianan’ny Ateniana, fa indrindra ireo heverina ho avara-pianarana ny firesahan’i Paoly ny amin’iJesoa satria tsy hoe tsy nivavaka akory izy ireo. Tena efa nivavaka tokoa saingy tamin’ireo andriamanitra marobe notompoiny dia tsy mbola nisy na iray aza ka hoe nitsangana tamin’ny maty. Io fahaiza-mampahalala an’i Jesoa io no teboka iray nahazoan’ i Paoly nampiditra ny Filazantsara.

2-Fiaingana amin’ ny zava-misy

.. .koa izay ivavahanareo nefa tsy fantatrareo dia izany notoriako aminareo » (and 23) hoy i Paoly manararaotra izao fahalianan’ny Ateniana izao. Tsikaritra fa nanana fahazavan-tsaina i Paoly eto ka niainga tamin’ izay fanaon’ny olona nefa manjavozavo amin’izy ireo no nitondrany ny resaka. Moa ve tsy fomba fanaon’i Jesoa ihany ity anaran’i Paoly ity, miainga amin’ny hitan’ny maso sy ny azo tsapain-tànana tamin’ ireo andriamanitra marobe .

3-Fitaomana ny olona hibebaka

« Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana, fa ankehitriny lzy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka ».

Asongadin’i Paoly eto fa izay efa vitan’ny olona tany aloha dia vitany rehefa nampahafantarina azy ireo kosa i Jesoa mpamonjy, llay Andriamanitra velona, nandresy ny fahafatesana dia heloka ho azy ireo ny tsy finoana sy ny tsy fanekena handray Azy. Taomy hitodika amin’Andriamanitra àry ny olona.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.