MOFON’AINA TALATA 25 JANOARY 2022

22 Nony ampitson’iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan’ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesoa tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha, 23 kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,- 24 koa nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo Jesoa, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an’i Jesoa. 25 Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan’ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Ianao? 26 Jesoa namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. 27 Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kaseJAONA 6:22-27

NY OLONA MITADY AN’I JESOA KRISTY

1-Mitady fiainana mandrakizay

« Aza miasa hahazo hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay « (and 27)

Ampitson’ny andro izay nampihinanan’i Jesoa ny lehilahy tsy omby dimy arivo , dia mbola tonga hitady an’i Jesoa indray ny vahoaka , mba hihinanan’izy ireo mofo indray . Nanohitra izany fomba fisainana izany i Jesoa, satria hanina tsy maharitra sady fanomezana fahafahampo ny nofo fotsiny ihany fa tsy mikendry fiainana mandrakizay .Noho izany, ny hoe: mitady an’i Jesoa dia tsy noho ny fitadiavana hanina hahavoky ny nofo ihany fa hanomezana fahafahampo ny fanahy, dia ny Tenin’Andriamanitra izany. Jesoa Kristy , izay ambaran’ny Soratra Masina no fiainana ka izay rehetra manatona Azy amin’izany no manana fiainana mandrakizay .

2-Mino Azy ho avy amin’ny Ray

« …izay homen’ny Zanak’olona anareo , fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombokase » (and 27)

Jesoa Kristy no nomen’Andriamanitra fahefana ary azo antoka fa Izy tokoa Ilay avy any amin’ny Ray mampiditra ny olona ho amin’ny fiainana mandrakizay . Ka raha mitady Azy ireto vahoaka ireto dia mila mino fa Jesoa Kristy dia avy amin’ny Ray .Toy izany koa isika, raha mitady sy manatona an’i Jesoa Kristy , aza mianina amin’ny fahazoana hanina mety levona amin’izao fiainana izao , fa kendreo ihany koa ny hinoana fa Jesoa Kristy no irak’Andriamanitra , mitondra fampihavanana amin’Andriamanitra sy ny olombelona . Koa aoreno amin’i Jesoa Kristy , Ilay voahosotra hitondra famonjena ho an’izay rehetra mino .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.