MOFON’AINA TALATA 26 JOLAY 2022

21 Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’isaka zanany teo ambonin’ny alitara? 22 Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa; 23 ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: « Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany » (Gen. 25.6), ary natao hoe « Sakaizan’Andriamanitra » izy (Isa. 41.8). 24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany. 25 Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ny asa va izy tamin’ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ny lalan-kafa? 26 Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.JAKOBA 2:21-26

NY OLONA MANANA FINOANA

1 Maneho izany amin’ny asa

«Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa» (and.22).

Rehefa nangataka ny hanaovana fanatitra ny zanany lahy tokana tamin’i Abrahama Andriamanitra dia nanaiky sy nankatoa izany izy. Nanatitra an’i Isaka i Abrahama ho fanehoany ny fankatoavany ny tenin’Andriamanitra. Mariky ny finoana izany ary naseho tamin’ny asa ihany koa. Aseho amin’ny asa ny finoana, ary izay rehetra milaza fa mino an’Andriamanitra dia tsy maintsy maneho izany amin’ny asa. Ilay finoana miafina ao anaty dia aseho miharihary amin’ny asa ho vavolombelon’ny fananana finoana. Koa asehoy amin’ny asa ny finoana anananao. Tsy misaraka ny finoana sy ny asa.

2 Hamarinin’Andriamanitra

«Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany» (and.24). Amin’ny Epistilin’i Jakoba, ny finoana arahina asa no hamaritana ny fahamarinan’ny olona iray na tsia. Rehefa nino ka naneho izany tamin’ny asa i Abrahama, dia nosokajiana ho fahamarinany eo anatrehan’Andriamanitra izany. Toy izany koa i Rahaba janga izay nampiantrano ireo mpisafo tany tamin’izany. Eken’Andriamanitra ho fahamarinan’ny olona ny finoana, izany hoe, fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, aseho amin’ny alalan’ny asa. Ataovy amin’ny finoana ny asan’Andriamanitra fa hamarinina amin’izany isika. Tsy izay rehetra manao ny asan’Andriamanitra akory no marina fa izay miasa amin’ny finoana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.