MOFON’AINA ALATSINAINY 25 JOLAY 2022

12 Koa amin’izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa, 13 ary tsy tahaka an’i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ny Zanak’Isiraely ny faran’izay nihalevona; 14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ny fanekena taloha, satria ao amin’i Kristy ihany no anesorana izany. 15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin’i Mosesy. 16 Kanefa raha miverina amin’ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana. 17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana. 18 Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy.II KORINTIANA 3:12-18

NY OLONA MIVERINA AMIN’I JESOA KRISTY

1-Mandray ny famonjena entiny

« …raha vakina ny tenin’ny fanekena taloha, satria ao amin’i Kristy ihany no anesorana izany » (and 14) .

Raha manompo an’Andriamanitrab i Mosesy dia misarona voaly . Ny tenin’i Paoly eto dia entina ilazana ny toetran’ny Jiosy tsy mety miaiky heloka ka hiala amin’ny faharatsiana.Mizotra mankany amin’ny fanamelohana ny dian’izy ireo .Tsy ho voavonjy izy ireo raha tsy manaiky an’i Kristy. Ny fanekena an’i Kristy ihany no antoka hahazoana ny famonjena fa tsy avy amin’ny ezaka sy fahaizana ary izay mety ho tombony ananan’ny olona akory .Koa maneke an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy anao dia ho voavonjy ianao .

2-Manana ny Fanahy Masina

« Ary ny Tompo izany Fanahy izany , ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana » (and 17)

Ny asan’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina dia mifandray hatrany . Ny asan’ny Fanahy Masina dia manamarina ny teny sy ny nataon’i Jesoa Kristy .Faritan’i Paoly Apostoly amin’ny anarana hoe: « Tompo » entina hanondroana an’i Jehovah na Jesoa Kristy, Ilay mpanafaka eto .Ka izay rehetra manana ny Fanahin’ny Tompo no iaina ny fahafahana. Antoka ahafahan’ny olona miaina ny fahafahana ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao aminy .Raha tsy manana ny Fanahin’Andriamanitra ny olona dia tsy mbola manana fahafahana. Koa ekeo hitoetra ao aminao ny Fanahy Masina fa Andriamanitra miara-monina aminao izany ka mitondra fahafahana ho anao koa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.