Mofon’aina – TALATA 27 MARTSA 2018

3 Ary nony tany Betania Jesoa tao an-tranon’ i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin’ ny lohan’ i Jesoa ny menaka.4 Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton’ izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?5 Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.6 Fa hoy Jesoa taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.7 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.8 Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.9 Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
MARKA 14 :3-9

ASA FIBEBAHANA

1-Fanosorana  menaka   an’i  Jesoa Kristy  

Menaka  manitra narda sarobidy  indrindra iray  tavoara manontolo   no nahosotra  an’i Jesoa . Nanaiky izany  i Jesoa  satria tsy  mbola nisy olona nanao fanosorana Azy teto  an-tany  araka ny fanaon’i Mpisoronabe amin’ny  mpanjaka  na ny  mpisorona  (Lev 8 :12) . Noraisin’i Jesoa manetry  tena  ho  fahamarinana  ny nataon’ity  vehivavy  ity. Mesia mpisoronabe hitondra  sy handray  ny  fibebahana  sy hamela  heloka  ny mpanota ny  Tompo.

2-Fanamboarana  an’i Jesoa  halevina 

Vonona ho faty  sy hitondra  fibebahana ho  an’ ity vehivavy   ity sy izao  tontolo izao  i Jesoa. Manaiky  hosorana  dieny  mbola velona Izy ho fitehirizana ny  faty, araka  ny  fomba Jiosy. Dieny  mbola velona i Jesoa Kristy   no karakaraina. Andriamanitra   velona  no Tompo  tompointsika. Tsy  misy  mahasakana ny  fanolorantena feno  sy ny  fitiavantsika  an’i Jesoa Kristy. Mazotoa manompo.

3-Tsaroan’i Jesoa  Kristy izay  manosotra Azy 

Holazaina  miaraka  amin’ny fitoriana  ny Filazantsara  ny nataon-dravehivavy  . Sitrak’i Jesoa  ny nataon’i Maria  sy ny  fitiavany   (jereo  Jao 12 :3). Nafoiny  ho an’i Jesoa Kristy  izay  nananany rehetra. Tsy menatra  ho sakaizan’ny  mpanota i Jesoa Kristy ary tsy  menatra  ny hanaiky an’i Jesoa ho Tompo  i Maria. Manamasina  an’i Kristy  ao am-pony i Maria (1 Pet 3 :15). Mankasitraka ny asa tsara ny Tompo.

Fanontaniana:

Ahoana no fanamasinantsika  an’i Jesoa Tompo  ao am-po ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !