Mofon’aina – TALATA 29 MAI 2018

12 Koa amin’ izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,13 ary tsy tahaka an’ i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ ny Zanak’ Isiraely ny faran’ izay nihalevona;14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka andro-any dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ ny fanekena taloha, satria ao amin’ i Kristy ihany no anesorana izany.15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka andro-any, raha vakina ny tenin’ i Mosesy.16 Kanefa rehefa miverina amin’ ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ ny Fanahin’ ny Tompo no itoeran’ ny fahafahana.18 Fa isika rehetra kosa amin’ ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ ny voninahitra ka ho amin’ ny voninahitra, toy ny avy amin’ ny Tompo, dia ny Fanahy.
2 KORINTIANA 3 : 12-18

MITONDRA  FIAINANA HO  ANTSIKA  NY SORATRA MASINA

1-Rehefa  mitarika antsika ho amin’i Kristy 

Ny and. 14-16 no amerimberenana toy ny fanamafisana fa tsy hiala mihitsy  ilay  fisalobonana, na voaly  manarona ny tavan’ny olona mamaky sy  mihaino ny lalàna, izay  ny Testamenta Taloha, raha tsy i Kristy no manala izany. Amin’ny finoana an’i Jesoa ho  Kristy   ihany  no hahazoana  manala io voaly  manarona io. Voasaron’io  voaly   io ny  tavan’izay  tsy  mino  Azy, ka tsy mahalala na inona na inona. Koa ivelan’i Kristy dia tsy misy heviny ny Testamenta Taloha, ary tsy hazava. Izany no ilazana mandrakariva fa ny Testamenta Taloha dia hazavain’ny Testamenta Vaovao, nefa  ny Vaovao  dia miafina  ao amin’ny Testamenta Taloha koa. Izy  roa miaraka na ny  Soratra  Masina manontolo  no mitondra fiainana ho antsika kristiana ankehitrtiny, fa ny iray  (Taloha) milaza an’i kristy  ary ny faharoa manondro  an’i Jesoa  ho Kristy.

2-Rehefa  manaiky  hotarihan’ny Fanahy  isika 

« Rehefa  miverina  ao  amin’ny Tompo izy  dia esorina ihany ny fisalobonana »(and. 16). Ny Fanahy Masina no ambara  koa hoe: Tompo, araka   ny and.  17, Ny  fitarihan’ny Fanahy  ihany  no  mampahazava ny  Soratra Masina, ary hery manala ny voaly manakona ny  masontsika tsy andraisantsika ny fiainana entin’ny Soratra Masina manontolo. Tsy  masom-panahy  araka ny  fitenintsika  mahazatra  izany, fa ny fisainana, ny  fihevitra, ny finoana sy ny maro hafa dia hibirioka  amin’ny tsy  izy, na dia mamaky  Soratra Masina aza isika, raha  tsy  eo  ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Koa angataho ny Fanahy Masina ary maneke hotarihany mandrakariva.

Fanontaniana:

Moa  azonao  tsara ve ny foto-kevitra  manao  hoe: ny Soratra Masina  irery ihany  ary ny Soratra  manontolo?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !