MOFON’AINA TALATA 31 AOGOSITRA 2021

1 Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa noho ny amin’ i Jonatana?2 Ary nisy mpanompon’ ny fianakavian’ i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin’ i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.3 Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’ Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’ i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.4 Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, ao Lo-debara.5 Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, tao Lodebara.6 Ary nony tonga teo amin’ i Davida Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.7 Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa hianao noho ny amin’ i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’ i Saoly rainao, ary hianao hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva.8 Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?9 Dia niantso an’ i Ziba, mpanompon’ i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan’ i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin’ ny tomponao.10 Koa hianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an’ ny zanakalahin’ ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin’ ny tomponao, hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompo roa-polo.11 Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon’ ny mpanomponao. Fa ny amin’ i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin’ ny latabatro toy ny anankiray amin’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy.12 Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’ i Ziba dia mpanompon’ i Mefiboseta avokoa.13 Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin’ ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.
2 SAMOELA 9 :1-13

1-Andriamanitra no fitaratra amin’ny fanaovantsoa

Nihevitra ny hanao soa izay sisa avy tamin’ny tamingan’i Saoly i Davida eto . Mahavariana ihany izany toe-javatra sy fihetsika ataon’i Davida izany ,raha ny zava-misy tamin’ny fotoana andro no arahina tsara . Azo atao hoe : mpifahavalo tokoa mantsy i Davida sy i Saoly ka raha teo amin’ny fahefana i Saoly no nodimbiasan’i Davida , ny lojika tamin’izany fotoana izany dia ny fandripahana izay rehetra mety ho taranak’ilay fahavalo mba hahamari-toerana ny fanjakana (cf 1 Sam 20.30-31). Raha izany lojika izany no arahana dia tsy tokony hanao izao fihetsika hanisy soa amin’ny taranak’i Saoly izao mihitsy i Davida fa ny hamono azy kosa aza .Eto anefa dia nihevitra ny hanao soa indrindra , satria ny fanarahana sy faharesen-dahatra amin’ny fanekeny an’Andriamanitra no mibahana ao aminy koa satria mpanao soa ny Tompo dia manao soa ny mpanara-dia Azy tahaka an’i Davida.

2-Tena soa atao indrindra ny fanomezana zara tany

And 7 : « hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’i Saoly rainao« . Tsy misaraka amin’ny tany ny olona raha araka ny fampianaran’ny Testamenta Taloha satria tany no nanamboarana ny olona, tany niveloman’ny olona . Ankoatra izany , rehefa manome fiainana ny olona ny Tompo dia tsy misaraka amin’izany mihitsy ny fanomezany zara tany (cf Gen 2.8) rehefa nanala ny zanak’Israely tany amin’ny fanandevozana Izy dia nampanantena tany tondra-dronono sy tantely ho lovan’izy ireo . Manatanteraka izany i Davida eto .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.