MOFON’AINA TALATA 31 MARTSA 2020

1.Ary Hezekia naniraka tany amin’ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin’ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon’i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 2 Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin’ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin’ny hitandremana ny Paska amin’ny volana faharoa. 3 Nefa tsy nahatandrina azy tamin’izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema. 4 Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany. 5 Dia nandidy handefa teny eran’ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan’ny olona hitandrina ny Paska ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra. 6 Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ny mpanjaka hoe: Ry Zanak’Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’izay sisa aminareo izay tsy azon’ny tànan’ireo mpanjakan’i Asyria. 7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy. 8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Jehovah ny tànanareo, ka midira ao amin’ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. 9 Fa raha miverina amin’i Jehovah ianareo, dia hahazo famindrampo eo anatrehan’izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin’ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
2 TANTARA 30 : 1-9

Nisy karazany roa ny mpanjaka izay nanjaka teo amin’ny zanak’Isiraely taorian’ny fizaran’ny fanjakana ho roa. Ny karazany iray dia mpanjaka tena nanompo sampy ka nitarika ny vahoaka tamin’izany fanompoan-tsampy izany. Nahatonga fahavoazana be teo amin’ny firenana manontolo izany. ny karazany faharoa dia mpanjaka tia fivavahana ka namerina ny vahoaka teo ambany fifehezany tamin’Andriamanitra. Hezekia dia iray amin’ireo mpanjaka tao Joda izay namerina ny vahoaka tao Atsimo sy tamin’ny fokon’ny Efraima sy Manase tamin’Andriamanitra. Izy dia nandimby fanjakana nanompo sampy be tamin’ny andron’i Ahaza mpanjaka izay nodimbiasiny. Ny mpanjaka (mpitondra) mamerina ny vahoaka amin’Andriamanitra dia

  1. Mitaona ny vahoaka hankao amin’ny fiangonana (and 1)

« Ary Hezekia naniraka tany amin’ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin’ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon’i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely »

Ny taratasy nosoratan’i Hezekia dia taratasy mitaona ny vahoaka hifandray indray amin’Andriamanitra ao amin’ny tranon’Andriamanitra. Ny olana tamin’ny andron’i Hezekia mantsy dia nivavaka teny amin’ny toerana maro ny vahoaka. Izany fivavahana teny amin’ny toerana rehetra izany dia nampirongatra izay tsy izy ny fivavahana tamin’ny andriamanitra maro (synchrétisme). Tsy Jehovah Andriamanitra irery intsony no nivavahana fa tonga nanompo sampy aza ny vahoaka. Ity fitaomana azy ireo hivavaka tao amin’ny tempoly ity dia tena endriky ny fialàna tamin’ny fivavahana tamin’ny andriamanitra maro ho amin’ny fivavahana marina dia amin’i Jehovah Andriamanitra. Izany dia hamafisin’ny teny hoe « hankany an-tranon’i Jehovah any Jerosalema ».

Adidin’izay mitondra arak’izao ny mitaona ny olona hanatona fiangonana ka hivavaka amin’Andriamanitra tokana dia Jehovah Rain’i Jesoa Kristy. Mivavaha manokana amin’izao fotoan’ny karemy izao mba tena hitarika sy hitaona ny vahoaka Malagasy hiverina amin’Andriamanitra ny mpitondra antsika ary mba hanentana ny Malagasy tsy hanompo andriamani-tsy izy sy hanompo sampy.

  1. Mitaona ny vahoaka hihavana marina amin’Andriamanitra (and 8 )

« Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Jehovah ny tànanareo »

Ny hoe manolo-tanana teo amin’ny fomba tranainy, indrindra tany amin’ny tany tatsinana dia endriky ny fanekena hihavana amin’izay hanoloran-tanana. Eto amin’izao mofonaina izao dia asain’ny mpanjaka manolo-tanana amin’i Jehovah ny vahoaka teo ambany fahefany. Izany hoe taominy hihavana indray amin’Andriamanitra. Izany fanekena hihavana izany koa dia tsy zavatra atao ivelambelany fa tena atao vokatry ny fo tanteraka. Ny olona rehetra izay notaominy hifandray amin’ny Tompo, hiditra ny Tempoly arak’izany dia taominy ho tonga amin’ny tena fihavanana marina amin’ny Tompo. Ilay manolo-tanana koa eto dia atao amin’ny fo madio tsy mahatsiaro teriterena. Ka ilay fihavanana ateraky ny fifandraisan-tanana dia tena madio satria natao tamin’ny fo madio, vonona hihavana marina fa tsy mihatsaravelatsihy. Ny mahafinaritra, raha tena vonona hihavana amin’Andriamanitra tokoa ireto vahoaka ireto dia hisy vokatsoa ho an’ny hafa izany eo amin’ny and 9. Haverin’Andriamanitra hiala amin’ny fahababoana ireo efa lasa babo. Izany hoe noho ny fiverenan’ireto vahoaka ireto dia hisy olona ho afaka amin’ny fahoriana mahazo azy noho ny fahababoana.

Adidin’ny mpitondra arak’izany ny mitaona ny vahoaka hihavana marina amin’Andriamanitra, hihavana ka tsy mihatsaravelatsihy. Tsy toy ny fanaon’ny mpitondra sasany, mody manao fanompoam-pivavahana ho enti-miseho fa kristianina kanefa tsy resy lahatr’izany akory. Rehefa tena miverina amin’Andriamanitra koa isika Kristianina dia hahazo tombony amin’izany ny Malagasy hafa na dia tsy kristianina aza izy. Hamonjy sy hanafaka azy ireo ny Tompo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.