MOFON’AINA TALATA 8 FEBROARY 2022

15Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Ny amin’i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany. 16Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy. 17Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona? 18Ary hoy Abrahama tamin’Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao! 19Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an’ny taranany mandimby azy. 20Ary ny amin’Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe. 21Nefa ny fanekeko haoriko amin’Isaka. izay haterak’i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao. 22Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin’i Abrahama.GENESISY 17: 15-22

TSY MAINTSY TANTERAKA NY TENY FAMPANANTENANA

1- Manamafy ny Teniny Andriamanitra

Gen 17 no nanamafisan’Andriamanitra ny fanekena tamin’ i Abrama. Ho fanamafisana izany dia novan’Andriamanitra ny anaran’izy mivady, anarana mifanaraka amin‘ny fikasan’Andriamanitra ho amin’ny fiainany. Novana ho Saraha ny anarana hoe : Saray. Saraha midika hoe «andriam-bavy » na koa hoe «zanak’andriana ». Ny anarany hoe: Saraha dia mifamatotra amin’ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama fa ho tonga firenena lehibe izy. Midika izany fa hanana taranaka maro i Abrahama sy Saraha, avy amin’ny taranany dia hisy mpanjaka maro (and. 16).

2- Manana ny fandaminana hitondra ny olona Izy

Nisalasala ny amin’ny fanambaran’Andriamanitra i Abrahama. Efa antitra izy mivady, amin’ny maha-olombelona dia niangavy an’Andriamanitra izy mba amin’ny alalan’i Ismaela no hahatanterahan’izany (and.18). Mitana ny teny nataony Andriamanitra, manana ny fandaminana manokana ho an’ny fiainan’ny olona tsirairay Izy. Hafa ny làlana hitondrany ny fiainan’i Ismaela. Mihoatra lavitra noho izany ny hitondrany izay zanaka aterak’i Abrahama sy Saraha, nolazain’ Andriamanitra fa Isaka no hatao anarany. Tanterahin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’i Isaka ny teny fampanantenany, Mitaona antsika mba hanaiky mandrakariva izay fandaminana hitondran’Andriamanitra ny fiainantsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.