MOFON’AINA ALAROBIA 9 FEBROARY 2022

25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. 26Ary efa nambaran’ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ny Tompo. 27Ary nentin’ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan’ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin’ny ray aman-dreniny Jesoa zaza mba hanaovany araka ny fomban’ny lalàna ny amin’ny zaza, 28dia nitrotro Azy izy ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe: 29Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana Araka ny teninao; 30Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, 31Izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, 32Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao. 33Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy. 34Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin’i Maria, renin’ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ny Isiraely ary ho famantarana holavina 35ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra – mba haseho ny hevitry ny fo maro.LIOKA 2:25-35

MPINO MAHITA NY FAHATANTERAHAN’NY TENIN’NY TOMPO

1- Mitoetra amin’ny finoana

Lehilahy tena niavaka i Simeona. Lehilahy marina, olon’ny finoana, nivavaka tamin’Andriamanitra. Noraisiny tamin’ny finoana ny fanambaran’ny Fanahy Masina fa : «tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ny Tompo » (and.26), niandry fatratra izany izy. Noho ny finoana sy ny fanekeny hotarihin’ny Fanahy Masina dia notanterahin’Andriamanitra tokoa ny teniny.Nahita an’i Jesoa Zaza noentin’ny ray aman-dreniny niditra tao amin’ny Tempoly izy. Ny olona mandray marina ny Tenin’Andriamanitra, mitoetra amin’ny finoana Azy dia mahita fa tsy mamitaka Andriamanitra, izay teny nambarany dia tanterahiny tokoa.

2- Milaza ny asan’Andriamanitra

Nitrotro an’i Jesoa Zaza i Simeona ka nanandratra ny feony nidera an’ Andriamanitra. Nambarany tamin‘ny fiderana nataony ny maha-Izy Azy ity Zaza vao teraka noentina niditra tao amin’ny tempoly ity. I Jesoa no ilay voahosotr’Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao, hanafaka ny olona ao anatin’ny aizina ho amin‘ny fahazavana. Nandray izany famonjena izany i Simeona, nandray ny fiadanana izy ka milaza sy mizara izany amin’ny manodidina azy. Mitana ny teniny mandrakariva ny Tompo, manana andraikitra isika mahatsapa izany mba haneho sy hanambara ny asan Andriamanitra ho an’ny manodidina antsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.