MOFON’AINA ZOMA 01 OKTOBRA 2021

52 Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?53 Fa hoy Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao Amiko, ary Izaho kosa ao aminy.57 Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona Amiko.58 Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
JAONA 6 : 52-58

NY FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

1-Fiombonana amin’i Jesoa Kristy

«  Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay ... » (and 54) .Ambaran’i Jesoa Kristy amin’ny mpihaino Azy eto fa fepetra tsy maintsy arahina hahazoana antoka ny fananana fiainana ao Aminy, ny fihinana ny nofony sy ny rany. Ny fihinana ny nofo sy ny ran’i Jesoa Kristy izay mariky ny fananana an’i Kristy, fiombonana sy fahavelomana ao Aminy .Tsy manana fiainana mihitsy ny olona izay tsy mpiombona amin’i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny Fanasan’nyTompo. Koa izay rehetra te-hanana fiombonana sy fahavelomana ary indrindra handova ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy manaiky hiombona amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

2-Fandraisana ny irak’i Jesoa Kristy

« Ary tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy ary izaho koa velona amin’ny Ray … » (and 57). Ampahatsiahivin’i Jesoa Kristy eto fa Andriamanitra Ray no naniraka Azy ho ety amin’izao tontolo izao mba hizara fiainana ho an’ny olona rehetra. Dia toy izany ihany koa, ny olona izay efa miombona sy manana fiainana ao amin’iJesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanasan’nyTompo dia mandray iraka avy amin’iJesoa Kristy ihany koa. Izay rehetra mahatsiaro ho manana fiombonana sy fiainana ao amin’i Jesoa Kristy dia vonona hizara fiainana sy fahavelomana izay noraisiny tamin’i Kristy ho an’ny hafa ihany koa. Koa ambarao amin’ny hafa fa Jesoa Kristy no tena fiainana .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.