MOFON’AINA ALAKAMISY 30 SEPTAMBRA 2021

49 Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’ izany sahady ? 50 Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany! 51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.52 Fa hatramin’ izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.53 Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
LIOKA 12 :49-53

NY FANARAHAN-DIA AN’I KRISTY

1-Ahitana fiovana goavana

Raha nampianatra i Jesoa dia matetika amin’ny alalan’ny fanoharana .Eto dia fanoharana ny amin’ny mpanompo sy ny tompony ary ny hitsarana azy amin’ny asany.  « Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho », hoy Izy . Izany hoe : mitondra fiovana goavana eo amin’ny fiainana ambonin’ny tany Izy. Miala tanteraka ao amin’ny fahazarana ny olona ary dia tena mitondra fisarahana amin’ny olona izay tena akaikin’ny fo mihitsy aza. Mba hanamarihana izany dia mampiasa ireto teny ireto ny mpanoratra : ray, zananlahy,reny ,zananivavy,rafozany, vinantony . Maneho ireo fa tena sarotra ny fanarahan-dia an’i Kristy. Hamafisin’i Jesoa mazava fa « tsia, hoy izaho aminareo fa fampisarahana ». Hisy fanenjehana eo amin’ny samy olona, samy mpianakavy. Izay mitazona ny fomba taloha kosa no manenjika ny olona izay manara-dia an’i Kristy. Izany no tsy maintsy ho fiainan’ny olona milaza ny tenany ho kristiana. Mitaky fandinihana ny fiainana lalina izany , ary tokony tsy hahataitra ny kristiana intsony raha misy ny toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana andavanandro.

2-Mitaky faharetana

Manoloana ireo fiovam-piainana ireo dia eo no ahitan’Andriamanitra ny tena mpanara-dia sy mijoro amin’ny finoany .Raha niresaka ny amin’ny tokantrano iray i Jesoa dia hoy Izy : « fa hatramin’izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo » (and 52). Fifanoherana : iray mihevitra araka ny sitrapon’Andriamanitra, ary ny iray kosa dia mifanohitra amin’izany. Eo indrindra no ilàna faharetana mba ho antoky ny fandresena ao amin’i Kristy. Raha tsy maharitra mantsy dia miverina ao anatin’ny fahamaizinana. Hoy ny Soratra Masina : «  fa aoka isika hifaly ao amin’ny fahoriana aza…ary ny fahatsaram-panahy voazaha-toetra mahatonga fanantenana » (Rom 5 :3,4). Jesoa Kristy no mahatonga fandresena ho an’ny mpino raha mitoetra tsara amin’ny faharetana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.