Mofon’aina – ZOMA 02 JONA 2017

23 Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ ny Ray izay naniraka Ahy.25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
JAONA 14 :23-26

NY MPANARA-DIA AN’I JESOA KRISTY

1-Miaina  amin’ny didin’i Jesoa Kristy

Mitaona  ny mpanara-dia  Azy i Jesoa Kristy mba hitandrina, hiaina  mandrakariva  amin’ny fampianarany. Ambarany  mazava fa izany  fitandremana ny fampianarana  nataony izany no mariky  ny fitiavana an’ Andriamanitra  sy fitiavana Azy izay asehon’ny mpianatra  eo amin’ny fiainany andavanandro. Fitandremana ny didiny, fankatoavana ny sitrapony    no  marika  fa miaina  amin’ny fiainam-baovao  eo ambany   fitarihan’ny Fanahy Masina ny  mpino. Raha tian’ Andriamanitra  àry ianao  dia aza misy adinoina  ny Teny, fitsipika natolony   mba hiainanao. .

2-Miasa  amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina . 

Irahin’i  Jesoa Kristy mba hanohy   ny  asany  ny mpianatra . Tsy asa  vaovao  ny atao  fa fanohizana  hatrany  izay asa efa nataony teto anivon’izao tontolo izao dia  ny hahatonga  izao tontolo izao handray ny famonjena . Antoka  hahafahan’ny mpianatra  hanohy  ny asan’ny Tompo noho  izany  ny Fanahy Masina  izay omena azy ireo. Ny Fanahy Masina  no hampianatra , hitarika sy hampahatsiaro  ny  fampianarana , ny asa  efa  nataon’ny Tompo  mba hahita  fahombiazana  ny mpianatra  amin’ny fanatanterahaaaaana ny asa apetraky ny Tompo amin’izy ireo . Tsarovy  fa nomen’ Andriamanitra  ny Fanahy Masina  isika  mpino  mba hanao  marina  tokoa ny asany . Mahereza hatrany.

Fanontaniana:

 Nahona  no misy  olona tsy mety  mankato ny Didin’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !