Mofon’aina – ALAKAMISY 01 JONA 2017

13 Ary tamin’ izay Jesoa dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’ i Jordana, dia nanatona an’ i Jaona Izy mba hataony batisa.14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray va no mankaty amiko?15 Fa namaly Jesoa ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.16 Ary raha vao natao batisa Jesoa, dia niakatra avy teo amin’ ny rano niaraka tamin’ izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’ Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.17 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
MATIO 3 :13-17

NY BATISAN’I JESOA KRISTY

1-Fanehoany ny fanetretenany 

Indro i Jaona  manao Batisa ireo sokajin’olona manatona  azy. Tamin’izany indrindra  no tonga  teo Aminy  i Jesoa  mba hataony  Batisa   tahaka ny olona rehetra. Nanda  mafy i Jaona  satria ny batisa  ataony dia Batisan’ny fibebahana. Fantany tsara  fa i Jesoa  izay manoloana azy  dia Zanak’ Andriamanitra tsy manana ota. Notaomin’i Jesoa izy mba hanao ny batisa satria izany no firosoana  amin’ny fahamarinan’ Andriamanitra. Manafoana  ny tenany  ny Tompo  sady  io  koa no  fotoana  hanehoany  sahady fa tonga Izy haka  ny toeran’ny olombelona  mpanota  ho  famonjena .

2-Fanehoana  ny  fiombonana  amin’ny Rainy 

Nasehon’ Andriamanitra eto ny maha- iraka manokana  an’i Jesoa Kristy  ka tokony  hohenoina sy ankatoavin’ny olona. Tsy hoe teo amin’io  fotoana io vao nomen’ Andriamanitra  ny Fanahy masina i Jesoa. Efa  niasa  tao Aminy ny Fanahy Masina  saingy nasehon’ Andriamanitra  io fotoana miavaka io ho fanehoana  amin’ny olona  manatrika teo  fa io  no zanany hanao asa manokana ho famonjena  ny olona . Tsy miasa irery Izy fa miombona  tanteraka  ao Aminy ny Rainy izay naniraka Azy sy ny Fanahy masina. Anjaran’ny olona noho izany ny mandray sy mankato Azy sy ny asany.

Fanontaniana:

Azo lazaina ve  ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ny mpino ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !