Mofon’aina – ZOMA 05 MAY 2017

17 Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’ izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ ireny olona ireny.18 Fa izy ireny tsy mba manompo an’ i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ ny tsy ary saina.19 Fa efa niely any amin’ ny olona rehetra ny lazan’ ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin’ izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin’ izay ratsy.20 Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’ i Satana faingana eo ambanin’ ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesoa Kristy Tompontsika.
ROMANA 16 :17-20

« TIAKO  HO HENDRY  AMIN’IZAY TSARA  IANAREO » (and 19)

Raiso  ho fiainanao  izany  teny izany  anio. Aza atao  afaka ambava, fa tsy   tenin’i Paoly Apostoly  ho an’ny Romana intsony  izany  fa efa  nekentsika sy noraisintsika  ho Tenin’ Andriamanitra ho antsika. Rehefa  haintsika tsianjery  izany  dia ny hanao inona no hitaoman’ny Tompo  antsika ?

1-Ny  hanam-pahendrena  amin’ny tsara .

Moa   misy manam-pahendrena   amin’ny ratsy ve ? Ny  fahendrena  eto  dia ny fahaizana  mamakafaka  sy mandanjalanja  tsara  amin’izay hita sy re. Ny mifanohitra amin’ny olon-kendry araka  ny teny eto  dia ny  « tsy àry  saina » (and 18a). Koa ampiasao ny saina, ary mangataha  tolotsaina avy amin’ny Tompo, fa omen ny Fanahin’ny fahazavan-tsaina isika. Mijoroa  mba  tsy ho rembin’ny fakampanahy. Aoka handanjalanja  tsara  vao  hanapa-kevitra  hanao an’itsy na iroa. Tsarao  sy tarafo  amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra  na izay ambara  na ny atao. Tanteraho  izany, satria  tian’ny Tompo  ho hendry  amin’izay tsara  isika.

2- Ny hitandrina amin’izay  mahatonga  ny fisarahana 

« Tiako ho hendry  amin’izay tsara ianareo ». Mariho tsara  fa « ianareo », hoy ny Tompo. Tsy izaho  na ianao, fa isika  no itenenan’ny Tompo amin’ny hoe: « ianareo ». Andeha hifampitaona hanao  ny tsara  sy haneho ny fahendrena  amin’izay eny ivelany, ka isika  no hiara-hientana  fa tsy olom-bitsy . Manamafy  izany  ny and 17 « Izaho mananatra  anareo …hitandrina tsara ny amin’izay  mahatonga ny fisarahana ».

Fanontaniana:

Inona no olana tsy hahafahantsika mifandresy lahatra  haneho fahendrena  ao amin’ny  fiaraha-monina?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !