Mofon’aina – ZOMA 08 JIONA 2018

13 Fa efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ ny fitiavana.14 Fa tanteraka amin’ ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana.
GALATIANA 5 : 13-15

NY OLONA AFAKA.

Samihafa ny fandraisan’ny olona ny atao hoe : « fahafahana ». Mampianatra antsika ny Soratra Masina anio, fa ny olona efa nantsoina ho amin’ny fahafahana dia:

1- Afaka tamin’ny fanandevozan’ny lalàna.

Ny tena fahafahana dia fahalalahana hanao asa tsy an-tery, tsy noho ny tahotra ny lalàna fa noho ny fahatsiarovan-tena. Marina fa voararan’ny lalàna ohatra ny mangalatra, kanefa raha noho ny tahotra ny higadra fotsiny no antony tsy hanaovana izany dia tsy mbola ao ny tena fahafahana. Ny olona efa nafahan’i Kristy dia afaka tamin’ny fanandevozan’ny lalàna ka amin’ny finoana sy fitiavana no anatanterahany sy hankatoavany ny sitrapon’ Andriamanitra.

2- Afaka tamin’ny filan’ny nofo

Izay efa nafahan’i Kristy dia afaka tamin’ny asan’ny nofo izay nanandevo azy taloha toy ny fijangajangana, fahaloloana.fijejojejoana. fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana. adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fialonana, fidorohana, filalaovan-dratsy…sns… Toheriny mafy ireo rehetra ireo ka tsy havelany hanjaka intsony eo amin’ny fiainany.

3- Mifanompo amin’ny fitiavana

Ny fositra mampizarazara sy manapotika ny Fiangonana dia ny tsi-fitiavana. Ny Fanahy Masina no mampianatra sy mitarika antsika hifanompo sy hifankatia, ary koa hahaizantsika mitia na dia ny fahavalo aza. Izay rehetra tia no efa nahatanteraka ny lalàna. « Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna » (Rom. 13 : 10)

Fanontaniana:

Moa tena mahatsiaro ho olona afaka ve ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !