MOFON’AINA ZOMA 11 FEBROARY 2022

1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. 3 Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. 4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. 5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.APOKALYPSY 21:1-5

TSY MIOVA AMIN’NY FANDAHARANY ANDRIAMANITRA

Teny fampanantenana efa nataon’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Zanak’Israely ny fahariana lanitra vaovao sy tany vaovao.Manamafy izany ny teny voalahatra eto fa mitana ny teniny tokoa Izy ka manatanteraka izany .

1- Raisiny ho amin’ny fanjakany ny olom-boavonjy

Mazava tsara ny fahitana hitan’i Jaona .Nahita tamin’izany ny nampidinana avy tany an-danitra , tanàna masina dia Jerosalema vaovao , maneho ilay tanànan’ny vahoakan’Andriamanitra , toerana nisy ny Tempoly fahizay , toerana nonenan’Andriamanitra ,Ilay Jerosalema vaovao voaomana hihaona amin’ny vadiny izay maneho ny fiangonana , ny olom-boavonjy horaisin’i Jesoa kristy ho amin’ny fanjakany , fonenana tena azo antoka .Manome toky amin’ny alalan’ny teniny Andriamanitra fa raisiny ho amin’ny fanjakany ny mpino .

2-Miaina amin’ny fiainana miavaka ny olom-boavonjy

Miova tanteraka ny toe-javatra iainan’ny olona rehefa manaiky onenan’Andriamanitra ny fiainany , rehefa manaiky hiditra amin’ny fandaharan’Andriamanitra .Tontolo vaovao anjakan’ny olom-boavonjy , iainan’ny olon’Andriamanitra .Foana ny ranomaso sy ny fahoriana , miala tanteraka ireo toe-javatra manimba ny fiadanana .Tena azo antoka araka izany fiainana miavaka omanin’Andriamanitra ho an’ny olona izany , satria mahatoky sy marina ny teniny

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.