MOFON’AINA ALAKAMISY 10 FEBROARY 2022

14 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin’ny aranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda. 15Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an’i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ny tany Izy. 16Amin’izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika. 17Fa izao no lazain’i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny taranak’Isiraely; 18Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary fanatitra hafa alatsa-drà.19Ary tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah nanao hoe: 20Izao no lazain’i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin’ny andro sy ny fanekeko ny amin’ny alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin’ny fotoany, 21Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ny seza fiandrianany, sy ny amin’ny Levita mpisorona, mpanompoko. 22Toy ny hamaroan’ny kintana eny amin’ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin’ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy. 23Ary tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah nanao hoe: 24Tsy hitanao va izay nolazain’ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy. 25Izao no lazain’i Jehovah: Raha tsy amin’ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany, 26Dia hariako ny taranak’i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin’ny fahababoana izy ka hamindrako fo.JEREMIA 33:14-26

ILAY ANDRIAMANITRA NANAO FANEKENA

1-Manatanteraka ny fanekena nataony

Manome toky Andriamanitra fa ho « avy ny andro hanatanterahany ny teny soa » nataony.Efa nambaran’Andriamanitra tamin’i Davida fa « ny taranany sy ny fanjakany dia hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay » (2 Sam 7.26) .Nampahatsiahy izany tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany eto Andriamanitra,nambarany fa hotanterahiny tokoa ny fanekeny . Avy amin’ny taranak’i Davida no hitondrana famonjena sy fiadanana ny olona rehetra .Tsarovy fa notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Ilay Zanak’i Davida izany fanekena izany .Manatanteraka ny fanekena nataony Andriamanitra. Azo antoka hy Tenin’Andrimanitra.

2-Marina amin’ny Teniny Andriamanitra

Mampahery ny olona hatrany Andriamanitra marina Izy ,marina amin’ny teny nambarany . Andriamanitra no mametraka, mandamina ny fisian’ny andro sy ny alina ary samy manana ny fotoanany avy ireo .Tsy azony ovana ny fandaminana nataony mba hampirindra ny fiainan’ny zava-mananaina .Toy izany koa ,tsy maintsy tanteraka ny teny nambarany . Marina Izy ka tsy mivadika amin’izay efa fanekena nataony.Andriamanitra izay nanao dingana voalohany nanao fanekena tamin’ny olona dia mitana ka nanatanteraka izany mandrakariva mba hampirindra ny fiainan’ny olony .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.