MOFON’AINA ZOMA 11 MARTSA 2022

24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. 25 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. 26 Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy; 27 ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona. 28 Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; 29 dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’fitsanganana ho fahamelohana.JAONA 5:24-29

AMIN’NY ANDRO HIHAVIAN’NY TOMPO

1- Izay nanao ny tsara dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay (and 29a)

« Izay nanao ny tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana ». Andriamanitra no efa mandahatra ny momba izay rehetra nanao ny tsara. Izay no nahatongavan’i Jesoa Kristy mba hitaona ny olona hanao ny tsara ary ny hanome azy ny fiainana mandrakizay. Mba rariny kosa izany. Tsy tokony hahagaga.

2- Izay nanao ny ratsy kosa dia voaheloka any amin’ny afobe (and 29b)

« Izay nanao ny ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana ». Izany dia manambara ny fijaliana mafy miandry any amin’ny afobe izay mahamay tsy zaka tsy manam-pahataperana intsony fa mandrakizay. Feno fanenenana amin’izany ary fahoriana tsy misy ohatra azy. Ry havana mangidy loatra izany raha ny fiheverana izany an-tsaina fotsiny aza, tsy ilaina ny manandrana mahafantatra tsara ny mombamomba izany fa zava-doza loatra. Koa andeha hibebaka hatrany hatrany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.