MOFON’AINA ALAKAMISY 10 MARTSA 2022

7 Dia hoy Natana tamin’i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan’ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin’ny tànan’i Saoly; 8 ary nomeko anao ny tranon’ny tomponao sy ny vadin’ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen’Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao; 9 koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin’i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin’ny sabatry ny taranak’i Amona izy. 10 Koa noho izany dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin’i Oria Hetita ho vadinao. 11 Izao koa no lazain’i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin’ny vadinao amin’izao antoandrobenanahary izao. 12 Fa ianao nanao izany tao amin’ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan’ny Isiraely rehetra sy amin’izao antoandrobenanahary izao.13 Dia hoy Davida tamin’i Natana: Efa nanota tamin’i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin’i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14 Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’i Jehovah amin’izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao. 15 Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin’i Oria tamin’i Davida, ka dia narary be ny zaza.16 Ary nifona tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin’ny tany mandritra ny alina. 17 Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin’ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.II SAMOELA 12:7-17

NY FAMAIZAN’I JEHOVAH

1-Dia mahakasika ny ankohonana (and 10a, 11)

« Koa noho izany dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, ary esoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao… » . Nangalatra vadin’olona sady namono ilay vadin’olona i Davida tamin’ny alalan’ny fandefasana azy tany amin’ny ady mafy. Nokapohan’i Jehovah tamin’ny zava-maharary ny olona izy dia ny ankohonany. Ary saika matetika dia any Andriamanitra no mikapoka rehefa misy hadalana ataon’ny olona ary any koa izy no mamaly soa raha misy fankasitrahany. Ny an’i Davida dia nanjary tafiditra tao amin’ny fiankohonany ny sabatra, satria izy namono olona tamin’ny sabatra .Nangalarin’ny olona ihany koa ny vadiny izay fahoriana tokoa amin’ny olona .Mety ho toy izany koa no manjo antsika rehefa manao ny nataon’i Davida isika.

2-Tsy maintsy hihatra ihany na dia efa nibebaka aza (and 18a)

« Ary nony nandray hafitoana dia maty ny zaza » . Nitoe-jaza ilay vehivavy nangalarina izay zanak’izy roa ireo , nibebaka tamin’ny fahotany i Davida rehefa nanarin’i Natana mpaminany . Voavela ny helony , saingy narary ilay zaza noho ny kapok’Andriamanitra .Nivavaka ho an’ilay zaza izy mba ho velona ny zaza , kanefa maty ihany . Rehefa mifona amin’ny Tompo isika dia voavela, saingy misy ihany kosa ihany endrika kapoka izay mety hiseho. Koa tandremo manararaotra ny famelankeloka hanaovan-dratsy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.