Mofon’aina – ZOMA 13 APRILY 2018

15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan’ ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an’ ny maro, mainka ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ ny fahasoavan’ ny olona iray, dia Jesoa Kristy, no tonga be ho an’ ny maro kosa.16 Ary tsy tahaka ny avy amin’ ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ ny anankiray no nisehoan’ ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana.17 Fa raha ny fahadisoan’ ny olona anankiray no nanjakan’ ny fahafatesana noho ny nataon’ ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ ny fahasoavana sy ny fanomezan’ ny fahamarinana no hanjaka amin’ ny fiainana noho ny nataon’ ny Anankiray, dia Jesoa Kristy.18 Koa tahaka ny nahatongavan’ ny fanamelohana ho an’ ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ ny fanamarinana ho amin’ ny fiainana kosa ho an’ ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ ny Anankiray.20 Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin’ izay nihabiazan’ ny ota no nihoaran’ ny fahasoavana be lavitra,21 mba ho tahaka ny nanjakan’ ny ota tao amin’ ny fahafatesana no hanjakan’ ny fahasoavana kosa amin’ ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ i Jesoa Kristy Tompontsika.
ROMANA 5 :15-21

KRISTY  FIAINANA SY  FAHAMARINANA

Asehon’i  Paoly  Apostoly  eto  ny fifanoherana misy  eo  amin’izay  nataon’i Adama sy i Jesoa .

1-Ny Tsy fankatoavan’i Adama

Adama no ilay voalohany tamin’ny  olombelona koa rehefa nanota  izy  dia nahatratra  ny  olombelona rehetra  tahaka  azy  ny fahafatesana tambin’ny ota. Ny  tsy fankatoavana  ny Tenin’ Andriamanitra  no otan’i Adama  izay tandindon’ny tsy fankatoavantsika ihany koa. Tsy  mba toy izany i Jesoa izay  tsy mba nanota  fa nanaiky  ho sorona  noho ny  fankatoavany  ny sitrapon’ny Ray. I Adama  dia nitondra fitsarana  sy fanamelohana ary fahafatesana. I Jesoa kosa dia nitondra fanamarinana sy fanafahana    ary  fiainana.

2-Ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy

Raha fahafatesana  no nolovaintsika avy  tamin’i Adama  dia fianana kosa  no setrin’izany  noho ny  fanoloran’i Jesoa ny tenany  ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana. Io  ilay  fahasoavan’ Andriamanitra nomena  antsika  tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy (and 20).

Ny fahasoavana  araka an’i Paoly  dia ny nanamarina  antsika maimaimpoana  tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy  miaraka  amin’ny tombotsoa rehetra aterak’izany. Ny fahasoavan’ Andriamanitra  àry dia

-Ampy  sy mahatratra ny maro (and 15).

-Hanamarinana ny  mpanota  (and 16, 18-19)

-Fanomezana fiainana avy amin’ny Tompo  ho an’ny mpanota (and 17)

Fanontaniana:

Diniho  avokoa ny fiarahabana apostolika rehetra . Inona no fanamarinana azonao  atao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !