MOFON’AINA ZOMA 15 OKTOBRA 2021

13 Ary tamin’ ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.14 Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.15 Dia namono ny Paska izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa; ary menatra ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.16 Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan’ ny Levita.17 Fa nisy maro tao amin’ ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an’ i Jehovah.18 Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an’ ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà19 izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan’ ny fitoerana masina aza izy.20 Ary Jehovah nihaino an’ i Hezekia ka nahasitrana ny olona.
2 TANTARA 30 : 13-20

NY OLONA MANKALAZA NY FAHAFAHANA

1- Manala ny faharatsiana eo aminy

« Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema … » (and. 14)

Tamin’ny andron’i Ahaza mpanjaka dia nalainy ny fanaka tao amin’ny Tempoly dia nanaovany alitaram-tsampy eran’ny ny zoron-dàlana rehetra tany Jerosalema. Rehefa tonga teo amin’ny fanjakany i Hezekia dia nandrava izany rehetra izany mialohan’ny hankalazana ny fahatsiarovana ny fanafahana, dia nandrava sy nanary ny sampy izy. Toy zany koa, mialohan’ny hankalazana ny fahatsiarovana ny famonjena sy ny fanafahan’i Jesoa Kristy ny mpino, tamin’ny herin’ny ota, dia mila manary ny sampy rehetra. Ario ny sampy rehetra ao aminao mialohan’ny handraisana ny Fanasan’ny Tompo.

2- Andriamanitra mamela ny helony

« Ary Hezekia nivavaka… Ary Jehovah nihaino an’i Hezekia ka nahasitrana ny olona. » (and. 18. 20)

Maro tamin’ireo avy any amin’ny tany lavitra no tonga nitady an’i Jehovah kanefa tsy nahatratra ny fotoana fidiovana. Nifona tamin’i Jehovah ho azy ireny ny mpanjaka Hezekia. Satria tena vonona hitady an’i Jehovah ireny olona ireny dia nihaino an’i Hezekia Jehovah ka namindra fo tamin’ny olona. Amin’ny fotoana izay anehoan’ny olona fahavononana hitady an’Andriamanitra dia mamindra fo sy mamela ny heloka rehetra tamin’ny fahadisoan’ny olona Izy. Koa mitadiava an’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia ho voavela ny helokao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.