MOFON’AINA ZOMA 16 DESAMBRA 2022

13Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. 14Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy ; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.15Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan’ny lohako naharaiki-tahotra ahy. 16Dia nanakaiky ilay anankiray tamin’izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr’izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra. 17Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany. 18Nefa ny olo-masin’ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo. 19Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin’ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony; 20ary ny amin’ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany. 21Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy, 22ambara-pihavin’ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin’ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan’ny olo-masina ny fanjakana. 23Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin’ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin’ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy. 24Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo. 25Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’andro iray sy ny fetr’andro roa ary ny antsasaky ny fetr’andro. 26Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy. 27Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy. 28Hatramin’izao no faran’izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.DANIELA 7:13-28

NY TOMPO ANDRIAMANITRA NO MPANJAKA MANDRAKIZAY

Nanehoan’ny Tompo fahitana i Daniela. Nahatahotra azy loatra ny zavatra hitany ka nahatonga azy hanontany izay hevitr’izany :

1-Voafetra ny fanjakana sy ny fahefan’olombelona

Nanana ny tanjany sy ny fahefany ny firenen-kafa izay nanodidina ny Israely toy ny Babyloniana .Tsy maintsy hihalefy anefa izany , ary hisy firenena hafa indray hanankery mihoatra azy , dia ny Mediana sy ny Persiana . Handimby azy kosa ny fanjakana Grika, ary hihalefy indray ny fanjakana Grika ka handimby azy ny Romana. Izany no sary asehon’ny fahitana ireo biby efatra hitan’i Daniela ka nahatahotra azy (Dan 7 :1-8). « Ary hiteny hanohitra ny Avo indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ny avo indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna … » (and 25a). Na dia eo ambany fahefan’olombelona sy miatrika fanenjehana aza ny fiangonana ankehitriny, noho ny amin’ny Tompo dia tsy tokony ary hahatsiaro fa fahefana voafetra ihany izany. An’ny Tompo ny fanjakana.

2-Andriamanitra no Tompon’ny fandresena

Indraindray dia toa avelan’Andriamanitra hanjaka ny tsy fahamarinana ,ny fampahoriana,ny fampahantrana mbamin’ny fampijaliana kristiana.Tsy hamela ny olony hitondra izay tsy zakany Andriamanitra , fa hatreo amin’ny fetra farany izay zakan’ny olony no hidirany an-tsehatra .Manomboka eo dia tsy maintsy hidaraboka eo anatrehan’ny fahefan’Andriamanitra Ily mpitsara marina ny fahefan’ireo « biby » mahatsiravina ireo. « Fa hipetraka ny mpitsara, ary hesorina ny fanapahany ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy » (and 27). Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanavotana vitany teo amin’ny hazo fijaliana no ananantsika fandresena amin’ny faharatsiana rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra