Mofon’aina – ZOMA 18 AOGOSITRA 2017

19 Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’ i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.20 Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.21 Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin’ izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,22 nampahery ny fanahin’ ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ ny fahoriana be no idirantsika amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.23 Ary rehefa nanendry loholona teo amin’ ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ ny Tompo Izay efa ninoany.24 Ary rehefa nandeha namaky an’ i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.25 Ary nony efa nitory ny teny tany Perga izy, dia nidina nankany Atalia.26 Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ho amin’ ny asa izay novitainy.27 Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ ny jentilisa.28 Dia nitoetra elaela ihany tamin’ ny mpianatra izy.
ASAN’NY APOSTOLY 14 :19-28

Ny vavolombelon’ny Tompo dia

1-Mitondra  fampaherezana  

Anisan’ny  iraka  omen’ny  Tompo  antsika   vavolombelony  ny  fampaherezana ny hafa. Tao  amin’i Paoly  io  fisainana  io, satria  rehefa  afa-doza izy (toa-bato) dia tsy navelany  ireo mpianatra tany Antiokia sy Ikionioma fa niverenany  nampaherezina , nohamafisiny  ny finoan’izy ireo  mba hahazoany  ny fanjakan’ Andriamanitra . Niova ho fijoroana ho vavolombelon’ ny fijaliana  izay nandalovan’i Paoly. Tsy nandositra olana izy  fa nanamafy  aza ny fahoriana dia làlana mitondra antsika amin’ny fahombiazana.

2-Mampiroborobo  ny asa fitoriana 

Ireo hetsika rehetra hita ato  amin’ity perikopa ity   dia manambara   fa tena tsy tafandry  mandry mihitsy i Paoly sy Barnabasy. Mandeha etsy, mandeha eroa noho ny fitoriana ny Filazantsaran’ny fanjakan’ Andriamanitra  izay maha- vavolombelona azy ireo  (and 22). Tao ny fandaminana  mba hoentina handrindrana  izay fitoriana sy fampiroboroboana ny asan’ Andriamanitra, fanendrena ireo loholona isam-piangonana. Tao ny fiombonam-bavaka sy fifadian-kanina, ary izay tena lehibe dia ny tsy fahalalana vizana satria tsy nitandro hasasarana  tamin’ny fivezivezena ireto vavolombelon’ny Tompo  ireto.

Fanontaniana 

Manaova jery todika amin’ny fandaharam-potoananao dia jereo  izay hahafahana mampitombo  ny fotoana  ho an’ny asan’ny  Tompo .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !