MOFON’AINA ZOMA 18 MARTSA 2022

1 Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro. 2 Henoy ny feon’ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Ianao no ivavahako.3 Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho. 4 Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Ianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy. 5 Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra. 6 Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon’i Jehovah ho zava-betaveta. 7 Fa izaho kosa noho ny haben’ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin’ny fahatahorana anao aho. 8 Jehovah ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho noho ny amin’ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao. 9 Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy. 10 Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon’ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben’ny fahotany, satria efa niodina taminao. 11 Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao. 12 Fa Ianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.SALAMO 5:1-12

MIHAINO VAVAKA ANDRIAMANITRA

1-Koa miresaha Aminy (and 3)

Raha miantso an’Andriamanitra isika dia ireto no tsarovy araka izao tonom-bavaka nataon’i Davida izao :

-Ataovy fiainana fa tsy fahazarana ny mivavaka, tahaka an’i Davida, mivavaka isa-maraina

-Havaozy isanandro ny fiombonanao amin’Andriamanitra ka antsoy Izy isaky ny hanomboka zavatra ianao .Izany koa no hevitry ny hoe : maraina eto.

-Aoka hino ianao fa Andriamanitra dia hitondra ny fiainanao marina tokoa mandritra ny andro .Davida eto dia manambara fa hanndrandra, izany hoe ; efa miandrandra valimbavaka sahady .Fa misy olona mivavaka fa toa misalasala ihany . Ny hahalavorary ny fiainanao no tanjon’ny Tompo : « Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao dia hiadana. Izany no hahatongavan’ny soa aminao « (Joba 22 :23)

2-Halaviro ny ratsy fanao (and 4)

Mankahala ny ratsy ny Andriamanintsika ka mampahatsiahy antsika fa tsy mankasitraka ny ratsy fanaontsika Izy. Koa raha hivavaka Aminy isika dia ampahatsiahin’i Davida eto fa sasa-poana ny mpanao ratsy raha hivavaka amin’ny Tompo. Koa raha hivavaka isika dia ny fiaikenkeloka no tokony hialoha izay ambarantsika Aminy .Araka ny voasoratra hoe: « Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra » (1 Jao 1 :9). Mora mivily amin’ny faharatsiana mantsy isika ka manalavitra an’Andriamanitra . Jesoa ihany anefa no afaka manamarina antsika eo anatrehan’Andriamanitra .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.