MOFON’AINA ZOMA 19 AOGOSITRA 2022

12 Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain’ilay manana ny sabatra roa lela maranitra:13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny seza fiandrianan’i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’izay onenan’i Satana. 14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’i Balama, ilay nanome fo an’i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ny Zanak’isiraely, hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga. 15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ny Nikolaita tahaka ny an’ireny. 16 Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako. 17 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.APOKALIPSY 2:12-17

1 Mitana mafy ny Anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy

Zava-dehibe ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo kristiana tao Pergamosy satria tena tanànan’ny fanompoan-tsampy mantsy izy io ary nanenjika mafy ny kristiana ireo mpanompo sampy ireo. Tsy nianina tamin’ny fanaratsiana samihafa sy ny fitenenana ratsy ny kristiana izy ireo fa namono nahafaty izay azony mihitsy koa aza. Tahaka an’i Antipasy izay voalaza fa natoky ny Tompo indrindra anefa maty martiora noho ny nafitsoky ny mpomba ny sampy. Araka izany, tena sahy niaritra fanenjehana ny kristiana tao Pergamosy (1Pet.4 :12) ary heverina fa faka tahaka amin’izany mihitsy izy ireo. Tsy azo odiana tsy hita araka izany ny fijoroana amin’ny maha kristiana vitan’izy ireo satria ireo kristiana ireo na dia nonina tao amin’ny seza fiandrianan’i Satana aza, izany hoe niara-niaina tanteraka tamin’ireo mpanompo sampy, tao amin’ny fiarahamonina feno fanompoan-tsampy dia nahatana mafy ny anaran’ny Tompo ary tsy nivadika tamin’ny finoana ny Tompo

2 Misy ihany anefa ny tsy mety, hita tao amin’ny Fiangonana

Nisy ireo olona ratsy fanahy sasany izay tafiditra tao amin’ny Fiangonana ka nandoto ny Fiangonana satria nitady izay hampikambanana ny fivavahana kristiana tamin’ny fomba fanaon’ny sampy. Nihevitra ny hampivady ny fomban’ny Fiangonana kristiana amin’ny sampy izany izy ireo ary izay ilay hoe fijangajangana eo anatrehan’ny Tompo

3 Antsoin’ny Tompo hibebaka ny ny olona

Halan’ny Tompo ny faharatsiana rehetra ataon’ny olona nefa tiany kosa ny hanavotra ny olona rehetra. Koa miantso izay diso lalana Izy, na iza na iza, hiverina Aminy indray

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.