MOFON’AINA ALAKAMISY 18 AOGOSITRA 2022

12 Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, 13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa. 14 Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran’i Kristy, fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo. 15 Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’olona. 16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany anarana izany izy. 17 Fa tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy manaiky ny filazantsaran’Andriamanitra? 18 Ary « raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota? (Oha 11 : 31). 19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.I PETERA 4:12-19

1 Mila miomana amin’ny fizahan-toetra ny kristiana

Tsy mandeha ho azy fotsiny amin’izao ny fiainana maha kristiana ary manambara koa izany toe-javatra izany fa tsy entim-poana akory ny anarana kristiana fa tsy maintsy manaraka ny lalana nalehan’i Kristy izay rehetra te ho kristiana. Heverina fa izany indrindra no ilazan’i Petera eto hoe : «Aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ». Mila miomana mba tsy hanampoka ka hahakivy ambony ihany fa izany no maha kristiana. Ilay hoe fizahan-toetra mahamay dia ambaran’ny mpanoratra fa tahaka ny volamena mihitsy ny Kristiana, izay tsy maintsy mandalo afo vao tonga firavaka tsara sy mahafinaritra. Tsy milaza lelafo mahamay ara-bakiteny eto fa maneho fahoriana sy fizahan-toetra mahamay izay ampitahaina amin’ny afo mihitsy ary tsy maintsy mandalo izany ny kristiana. (Lio.22:28 ; Asa. 14:22)

2 Miteraka fifaliana ny fiombonan-pijaliana amin’i Kristy

Mety ho hafa ny fandraisan’ny olona izany hoe fijaliana miteraka fifaliana nefa izay indrindra no isan’ilay fitenenena hoe ao anatin’ny mangidy no misy ny mamy. Ambonin’izany, teo amin’ny tantara, nahoana no nahavita niaritra izany ireo martiora Malagasy ? Satria tena niaina ilay fiombonana fijaliana amin’i Kristy izy ireo ka nahavita izany fahafoizan-tena izany. Fa manao ahoana kosa ny fahafoizan-tenan’ny olona ankehitriny ? Toa mifanohitra amin’izany ary no misy satria tsy votery mijaly velively ny mpanara-dia ny Tompo satria Izy manana ny zavatra rehetra ary afaka manome zava-tsoa

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.