MOFON’AINA ZOMA 22 OKTOBRA 2021

6 Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’ i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’ i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko7 Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra odorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin’ ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra.8 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.
ISAIA 56 : 6 – 8

Tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe Isaia fahatelo ity mofonaina anio ity, izany hoe : miresaka ny fiainan’ny vahoakan’Adriamanitra efa nody avy any am-pahababoana. Misongadina eto fa :

NA IZA NA IZA VONONA HANOMPO AN’ANDRIAMANITRA DIA :

1 – Raisiny an-tanan-droa (and 6)

« Ny hafa firenena » hoy ny voalaza eto, izany hoe na dia tsy Jiosy aza, kanefa vonona tokoa hanompo an’Andriamanitra dia ekeny ho Azy. Tsy manilika izay rehetra manaiky Azy ho Tompo Andriamantira. Tsy mba misy voailika izay mahafeno ireto fepetra ireto : Manaiky hanompo Azy, tia ny Anarany, mitandrina ny sabata. Io toetran’Andriamanitra tsy manosi-bohon-tànana io dia mbola marina tao amin’i Jesoa Kristy fa «  Izay manatona Ahy tsy mba ho laviko mihitsy » hoy Izy. Ianao koa, na iza na iza ianao, na avy na avy aiza, maneke an’I Jesoa ho Tompo fa vonona handray anao Izay.

2 – Ovany sata (and 7d)

« Hampifaliako ao an-tranoko fivavahana » hoy ihany no ambaran’ny Tompo eto . Andriamanitra mihitsy no mampanantena fa hitondra ho ao an-Tempoly. Na ny jentilisa aza dia hanan-jo hanao fanatitra . Ny hevitr’izany dia manjary akaiky ary manana anjara tanteraka ao amin’Andriamanitra izay resy lahatra hanompo Azy marina tokoa. hafa fa hitovy zo amin’ny mino rehetra, tsy mpanompo intsony fa sakaizany hoy i Jesoa ( Jao 15 :15 ).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.