MOFON’AINA ZOMA 3 JONA 2022

1Ary Jehovah niseho tamin’i Abrahama teo an-kazo terebintan’i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran’ny lainy izy, raha nafana ny andro; 2dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ny tany 3ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao. 4Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo; 5dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin’ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.6Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin’i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon’ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo. 7Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin’ny omby, dia naka zanak’omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy. 8Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak’omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan’izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin’ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy. 9Ary hoy izy telo lahy tamin’i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. 10Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran’ny lay, izay teo ivohon’Ilay niteny. 11Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin’ny fombam-behivavy Saraha. 12Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy? 13Ary hoy Jehovah tamin’i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? 14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va? Amin’ny fotoan’andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy. 15Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao.GENESISY 18:1-15

NY HERIN’NY FAHEFAN’ANDRIAMANITRA

1-Miasa ao anatin’ny olona hahatonga azy hanao hetsika tsara (and 2-5)

Raha vao nahita ireto irak’Andriamanitra ireto Abrahama dia indro fa tery am-panahy mba hikarakara azy ireo amin’ny alalan’ny fandraisam-bahiny izay mariky ny fanajana .Tsy nandà izy ireo. Midika izany fa nankasitrahan’izy ireo ny fihetsika nataon’i Abrahama .Rehefa manana izany toetra izany ny olona dia hita fa manana ny Fanahy Masina izay mampahendry ny olona toa an’i Abrahama .Hay izany, manana fahefana hiasa ao anatin’ny fon’ny olona ihany koa Andriamanitra, izay zavatra tsy hain’olombelona mihitsy .Hoy ny Soratra Masina : « Izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra » (Mat 18 :27).Izany no manambara ny fahefan’Andriamanitra izay tsy hita saintsainina .

2- Manao zava-mahagaga izay tsy hain’olombelona velively (and 14)

Tanteraka tokoa ny teny fampanantenana tato aoriana .Teraka zazalahy i Saraha .Zava-mahagaga izany ary efa saika tsy nino intsony i Saraha .Tsy hain’olombelona izany .Tandremo! Tsy misy zavatra eto an-tany na any na any an-danitra ka tsy hain’Andriamanitra, satria Izy no nahary izany. Ambaran’io Soratra Masina io rahateo fa tsy hisy na oviana na oviana izany zavatra izay tsy hainy izany .Tsara loatra izany teny izany, satria mampanantena zavatra maro eo amin’ny fiainana ka mahavelom-bolo aoka izany .Tsy misy tsy hainy atao .Izany no herin’ny fahefany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.