MOFON’AINA ALAROBIA 1 JONA 2022

10 Ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. 11 Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. 12 Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra. 13 Eny, hatramin’izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?ISAIA 43:10-13

MIJORO HO VAVOLOMBELON’NY TOMPO NY MINO

1-Ka maneho ny maha-Izy Azy

Ambaran’i Jehovah fa ireto vahoakany any am-pahababoana ireto no vavolombelon’ny fisiany sy ny heriny ary ny asany satria nafoiny ho any amin’ny tanin’olon-kafa, noho ny tsy fihainoana ny fananarany nentin’ireo mpaminaniny .Izao koa mbola asaina mijoro ho vavolombelona noho ny maha-Izy azy, satria ny nahafantaran’ireo vahoaka ireo azy hatramin’izay dia hoe: « Izaho izay izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay » (Eks 3 :14). Noho izany , efa tokony ho fantany fa tsy nisy niandohany i Jehovah fa efa nisy hatramin’ny ela ary izany mihitsy no maha-Izy Azy izay tokony ho reharehan’ny mpanompony ary tokony hijoroany ho vavolombelona .Ry havana , manana ny maha-Izy Azy ny Tompontsika ka tokony hasehontsika amin’ny olona izany mba hinoan’ny olona A zy .

2-Ka maneho ny fahefany (and 12,13)

Noheverin’ireo firenena hafa sy ireo vahoakan’ny Joda fa tsy manana fahefana any amin’ny tany nahababoana i Jehovah ary resy koa. Asehony eto fa tsy hoe resy tsy akory Izy ary hiasa . Manana fahefana amin’ny tany rehetra ary amin’ny lafiny rehetra ny Tompontsika ka isika no tokony hanaiky hijoro ho vavolombelona haneho sy hanambara izany . Jesoa Kristy dia manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ambonin’ny tany . Hoy Izy ao amin’ny Matio 28 :18 : « Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ». Manana isika manana Azy ho Tompo ary Izy no reharehantsika .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.