OFON’AINA ZOMA 27 MARTSA 2020

22 Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio. 23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. 24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, 25 mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, 26 ka hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony
2 TIMOTY 2 : 22-26

TANORA AO AMIN’NY TOMPO

Raha jerena ny antson’Andriamanitra tamin’i Timoty dia antso niantefa tamin’ny lehilahy tanora iray. Tanora tena vao herotrerony no nantsoin’Andriamanitra, ary notendren’ny fiangonana ho tomponandraikitra hitaiza ny fanahin’ny olona tao amin’ny fiangonana. Teo anatrehan’izany antson’Andriamanitra tamin’i Timoty izany dia nahatsiaro Paoly, izay nitory filazantsara tamin’i Timoty fa manana adidy hanampy azy amin’ny andraikitra napetraky ny fiangonana taminy. Araka ny fampianaran’i Paoly, ireto no marika hahafantarana fa ao amin’ny Tompo ny tanora iray

  1. Tanora mandositra ny filàn’ny tanora fanahy (and 22)

DIEM « andosiro ny zava-dratsy ironan’ny tanora fanahy »

Oharin’ny Paoly amin’ny zava-dratsy ny filàn’ny tanora eto. Amin’ny maha-tanora tokoa mantsy dia misy filàna ara-nofo samihafa manosika sy misarika ny tanora. Anisan’izany ohatra ny zava-mahadomelina, ny firaisana ara-nofo ahazoana fahafinaretana, ny fitiavam-bola, sns… lazain’i Paoly eto fa mirona ho amin’izany avokoa ny tanora. Ary anisan’ny tosika voajanahary mahery vaika ao amin’ny tanora ireo filàna samihafa ireo. Ampianarin’i Paoly handositra izany Timoty, izany hoe ampianariny tsy hirona amin’izany na dia ironan’ny rehetra aza. Tsy afaka manao izany izy noho ny amin’ny maha-mpitondra fiangonana azy. Raha manao izany mantsy izy dia ho mora amin’i satana ny handavo azy ka hanahirana amin’ny asa fanompoana napetraky ny fiangonana aminy. Mahasarotra ny fijoroany vavolombelona koa izany.

Be dia be ny tanora efa nanolotra ny fiainany ho an’i Jesoa Kristy, ampianarin’ny tenin’Andriamanitra izy ireny eto mba hahay hifehy tena tsara; koa raha azony atao dia aoka hanao toa an’i Timoty izy. Na dia tsy tomponandraikitra toa an’i Timoty aza, hanalavitra ny filàna samihafa izay mampiazakazaka ny ankamaroan’ny tanora. Tsy ahafaha-mijoro vavolombelona ireny no sady mampanalavitra amin’Andriamanitra.

  1. Tanora tsara namana (and 22)

« ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio »

Heverina fa marina mandrakariva ilay fitenenana hoe: « lazao ahy ny namanao, dia ambarako anao ny toetranao ». Arakaraky ny namana no toetra sy fomba fiainan’ny tanora iray. Raha tsara namana izy dia ho tsara toa izany koa ny mombamomba azy sy ny toetrany, raha ratsy namana dia ho toa izany koa. Eto dia ampianarin’i Paoly hitady namana mpivavaka tsy miantsaravelatsihy Timoty, aoka izay miantso amin’ny fo madio no ho namana hoy Paoly. Izany hoe izay tena mpivavaka marina, izay tena resy lahatry ny fivavahana marina. Asan’Andriamanitra no ataon’i Timoty, arak’izany namana resy lahatry ny asan’Andriamanitra no tokony hanodidina azy. Raha olona tsy mbola resy lahatra tsara amin’ny asan’Andriamanitra no namany, dia hampitombo ny asa tanterahiny izany voalohany indrindra, ary mety hisintona azy hiverin-dalana mihitsy aza.

Amin’ny maha-kristianina antsika, indrindra isika tanora. Aoka ho kristianina toa antsika no namantsika, aoka ho kristianina resy lahatra ny amin’i Jesoa no ho namanantsika. Manamora ny fijoroana vavolombelona mantsy izany no manampy be dia be amin’ny fijoroana vavolombelona. Adidintsika ray aman-dreny koa araka ny fiheveranay ny manara-maso tsara izay mifandray sy mifanerasera amin’ny zanatsika, mba tsy ho namana hitaona sy hitarika azy amin’ny raha tsy izy, fa mba izay tena afaka hiara-hifampitantana tsara aminy any amin’ny fiainana mandrakizay.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.