SABOTSY 22 JANOARY 2022

1 Rehefa nolazain’i Jesoa izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ny Zanaka Anao. 2 araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao Azy. 3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao. 4 Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. 5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izaoJAONA 17.1-5

JESOA KRSITY ZANAK’ANDRIAMANITRA

1- Nandray fahefana hanome fiainana mandrakizay

« araka ny nanomezana Azy fahefana… hanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenzao Azy. » (and. 2)
Tonga ny fotoana izay hiatrehan’i Jesoa Kristy ny asam-pamonjena izay nampetraky ny Ray taminy. Ary tsy ho tonga izany raha tsy ny Ray no nanendry ny fotoana hahatanteraka izany. Nanoloana izany, dia nivavaka tamin’Andriamanitra Ray i Jesoa, nampatsiahy ny Ray fa fahefana avy Aminy no ahafahan’i Jesoa manome fiainana mandrakizay ny nofo rehetra. Amin’ny alalan’i Jesoa Krsity no ahazoana mandova ny fiainana mandrakizay, ka izay rehetra te handova izany dia tsy maintsy mino an’i Jesoa Kristy. Ary nasehony tamin’ny asa rehetra nataony izany.

2- Manambara ny fiainana mandrakizay

« Ary izao no fiainana madrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Krsity, Izay efa nirahianao. « (and. 3)

Tokana Andriamanitra, dia Adriamanitra Ray, Izay efa naniraka an’i Jesoa Kristy ho ety amin’izao tontolo izao. Ka ny fandovana ny fiainana mandrakizay dia ho an’izay mahalala ny Ray sy i Jesoa Krsity. Ny dikan’ny hoe « mahalala » eto dia tsy ny fahalalana amin’ny saina fotsiny ihany fa fifandraisana feno fahatokiana sy fitiavana Ilay fantatra. Ka ny fahafantarana an’Andriamanitra Tokana sy Jesoa Krsity dia tsy fepetra na fomba hahazoana fianana mandrakizay akory fa ilay fiainana mandrakizay mihitsy no teraka, mitombo ao anaty ary tonga amin’ny fanatanterahana izany ao amin’ny fiainana mandrakizay.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.