MOFON’AINA ZOMA 21 JANOARY 2022

25 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa; 26 ary amin’izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, – araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy; 27 Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59 :20, 21; 27 :9). 28 Raha ny amin’ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ny razana. 29 Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany. 30 Fa tahaka anareo tsy nanaiky an’Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken’ireny no nahazoanareo famindram-po, 31 dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. 32 Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’izy rehetra.ROMANA 11.25-32

ANDRIAMANITRA MITANA NY TENINY

1-Tsy miova amin’ny fiantsoany

« Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany » (and 29)

Nomen’Andriamanitra ny Israely avokoa ireo fanomezam-pahasoavana samihafa, toy ny lalàna , ny fanekena ,ny fombam-pivavahana , ny fananganana anaka ary ny razana nipoiran’i Kristy araka ny nofo .Ka na dia misy mandiso fanantenana an’Andriamanitra aza ny sasany tamin’ireo, tsy manenina tamin’ny fiantsoany ny Israely Andriamanitra , satria mbola misy amin’izy ireny mbola mibebaka ihany. Ny teny fampanantenana rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny olom-boafidiny dia tanterahiny avokoa mba hahatanteraka ny fikasany ho famonjena ny olona rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

2-Mandray ny olona rehetra

« Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ny tsi-fanekena mba hamindrany fo amin’izy rehetra » (and 32)

Ny Jiosy no nanaovan’Andriamanitra ny fanekena tany am-piandohana ary ho azy ireo ihany koa ny famonjena, kanefa noho ny tsy faneken’ny Jiosy an’Andriamanitra no nahatonga famindrampo ho an’ny Jentilisa. Noho ny tsy finoan’ny Jiosy no nahatonga famonjena ho an’ny Jentilisa. Izany hoe : ny olona rehetra, ary izany no nahatonga an’Andriamanitra nanome an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy izao tontolo izao .Tsy misy fanavahana ara-pirazanana intsony ny famonjena fa miankina amin’ny finoan’ny olona an’i Jesoa Kristy no mahatonga azy ho voavonjy na tsia.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra