19 Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’ i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ ny olona izy, afa-tsy tamin’ ny Jiosy ihany.20 Ary ny sasany tamin’ ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ ny jentilisa koa ka nitory an’ i Jesoa Tompo.21 Ary ny tanan’ ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’ izay nino sy niverina ho amin’ ny Tompo.22 Ary ren’ ny sofin’ ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ ireo, dia naniraka an’ i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.23 Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.24 Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’ ny Tompo.25 Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’ i Saoly.26 Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ ny fiangonana hatramin’ ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ ny mpianatra hoe Kristiana.
ASA 11 :19-26
NY FITORIANA NY FILAZANTSARA
1-Maneho ny fomban’ Andriamanitra
Noho ny fanenjehana nahazo ny kristiana dia niely tany amin’ny faritra izy ireo . Tsy niafina na nitoetra fotsiny izy ireo fa nanohy hatrany ny asa fanompoana nifidianan’ny Tompo dia ny fitoriana ny Filazantsara. Nahitana fahombiazana izany satria nomba azy ireo ny Tompo ka nitombo hatrany ny isan’ny mpino.
2-Mifampahery ny mpino
Tafapaka tany Jerosalema fa noho ny fitoriana ny Filazantsara dia nitombo isa ny mpino tany amin’ireo faritra nandosiran’ny mpianatra noho ny fanenjehana. Naniraka an’i Barnabasy handeha hatrany Antiokia ny fiangonana tany Jerosalema mba hampahery ny mpino tamin’izany toerana izany. Miseho eto araka izany fa rehefa manana ny Filazantsara ny olona dia afaka mifampahery.
3-Mampiombona
Tsy ny hampahery ny mpino ihany no nandehanan’i Barnabasy fa ny hihaona amin’i Saoly. Tonga mpiara-miasa izy ireo. Na dia olona roa samy nanana ny tontolo namolavolana azy aza i Barnabasy sy i Saoly dia tonga mpiara-miasa. Rehefa miasa ao anatin’ny olona ny Fanahy masina , iainana ny finoana noho ny Tenin’ Andriamanitra dia afaka miara-miasa ny mpino rehetra na dia izay heverina fa tsy mitovy fomba fijery aza tany aloha .
Fanontaniana:
Mahay miara-miasa amin’ny kristiana namanao ve ianao?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !