Mofon’aina – Alarobia 15 martsa 2017

11 Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,12 mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana ankehitriny izao,13 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesoa Kristy,14 Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany.15 Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
TITOSY 2 :11-15

ILAY FAHASOAVANA MAHAGAGA

1-Natao ho an’ny olona rehetra

Ny fahasoavana  dia fanehoam-pitiavana maimaimpoana nataon’ Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona  izay  tsy mendrika hotiavina akory. I Jesoa Kristy, Ilay nanaiky ho irak’ Andriamanitra nisolo voina ny mpanota no fanehoana io fahasoavana io .Izy no nitondra famonjena  ho an’ny zank’olombelona  rehetra. Tsy maintsy   mandray izany fahasoavana avy amin’ Andriamanitra izany isika raha te-ho afaka  amin’ny fatoran’ilay ratsy mba hahazoantsika miditra  ho amin’ny tena fiainana. Tsarovy fa tian’ Andriamanitra  hanana ny fahavelomana mandrakizay isika. Izany no antony nanehoany izany fahsoavan-dehibe izany. Raiso àry ny fitiavany natolony ho anao.

2-Mitaona  ny olona hanana toe-panahy miavaka

Raha te-handray marina ny famonbjena notanterahin’i Jesoa Kristy ny olona  dia tsy maintsy manapa-kevitra hanolotena marina ho Azy. Miala  amin’ny faharatsiana  mbola mamatotra izao tontolo izao ka manaiky hanara-dia Azy, hivelona  amin’ny Teniny. Izay  olona mino an’i Jesoa Kristy  dia manana fanantenanan fa tsy  izao hita maso  izao no tena fiainana. Ny fahasoavana noraisina dia mamelona fanantenam-pamonjena sy tena fiainana  ho antsika. Noho  izany ny mpino  mivelona  marina amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra. Toe-panahy voatefin’ny Tenin’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Toe-panahy manao ahoana no entinao miaina ny fahasoavana natolotr’ Andriamanitra ho anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !