8 Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ ireo zavatra ireo?9 Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ ny andro farany.10 Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.11 Ary hatramin’ ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan-andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.12 Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.13 Fa mandehana ianao mandra-pihavin’ ny farany; fa hitsahatra hianao ka hitsangana ho ao amin’ ny anjaranao amin’ ny andro farany.
DANIELA 12 :8-13
ANDRIAMANITRA NO TOMPO
1-Manome faminaniana ny amin’ny ho avy ny Tompo
Soratra apokalyptika ity faminaniana ity . Zava-miafina ho an’i Daniela ny farany ka nahatonga azy hanontany ny anjely (and8). Efa voasoratra ny fitsarana sady voahorona sy vita tombokase ny boky ka tsy hisy afaka hamaha sy hamaly ny fanontaniana.Miandry ny fahatanterahany no anjarantsika. Fotoana telo samihafa no omena ao amin’ny boky, and 7, 11,12. Misy fotoanany ny zavatra rehetra ao amin’ny tantara : fanombohana , fanatanterahana ary ny farany . Omen’ Andriamanitra fotoana ny olona hiomanana fa tsy maintsy ho avy ny andro fitsaran’ Andriamanitra. Ampiomanina ny olona hamantatra ny sitrapon’ ny Tompo ka hibebaka .
2-Manome fitsaharana ny Tompo
Andro mahasambatra ny mino ny andro farany (and12). Hisy ny fotoana « fahoriana ho fanadiovana sy famotsiana ary fizahan-toetra » (and 10). Mifaly amin’ny fanaovan-dratsy ny ratsy fanahy, tsy fantany ny vontoatin’ny faminaniana dia ny loza ho avy eto amin’izao tontolo izao. Hiseho eo amin’ny firenena ny fahavetavetana sy fampitsaharana ny fanatitra. Mialoha izany dia omena fotoana hiomanana amin’ny hiatrehana ny fitsarana sy ny fahafahan’ ny Israely. Ho tonga ny fitsaharan’i Daniela dia ny fahafatesana izany. Hitsangana izy amin’ny andro farany, ho amin’ny anjarany .Manome fanantenana ho antsika izany . Manatrika antsika mandrakariva ny Tompo na dia misy aza ny ratsy sy ny loza.
Fanontaniana :
Matoky ve ianao fa ho avy ny Tompo hamonjy antsika ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !