Mofon’aina – ALAKAMISY 20 APRILY 2017

23 Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ ny Paska, dia tamin’ ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.24 Fa Jesoa tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;25 ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ ny olona.
JAONA 2 :23-25

JESOA TOMPON’NY HERY  SY NY FAHALALANA REHETRA

1-Jesoa mahery  tamin’ny fahagagana

Maro no nanaraka sy nino  an’i Jesoa noho  ireo famantarana sy fahagagana nataony. Avy tao Kana  i Jesoa  no nanao  famantarana amin’ny maha- Andriamanitra  sy Mesia  Azy. Mahalala ny ao am-pon’ny olona tsirairay  sy ny olona rehetra  i Jesoa . Fantany  ny finoan’ny olona  Azy  sy ny fihatsarambelatsihiny. Asehon’i Jesoa  fa mbola  ao  amin’ny maha-olona Azy  ireo  manaraka  Azy  ka tsy azony   itokiana. Finoana miorina  amin’ny famantarana  n ananany   ka tsy  ho afaka hijoro  ho vavolombelon’i Kristy  izy. Raha mbola  tsy  nandray  ny Fanahy masina ny mpanaraka  an’i Jesoa  dia mety  hiovaova  ny finoany. Izany   no antony   tsy ilan’i Jesoa  ny fanamabaran’ny olona Azy eto (and 25).

2-Jesoa manambara ny tenany

Fotoana mampivory  ny vahoaka Jiosy  any Jerosalema  ny Paska. Ity no Paska Jiosy  farany atrehany ary anlorany  ny ainy ho famonjena izo tontolo izao. Anisan’ny famantarana  nataony  ny fandravana  ny mpivarotra sy ny mpanakalo vola  tao amin’ny Tempoly. Izy ihany no manambara  sy mampahafantatra ny tenany. Mahery   amin’ny asany ny Tompo   sady manana ny hery  sy ny fahefana hanambara ny tenany. Izy no fahatanterahan’ny zanakondrin’ny Paska Jiosy. Tsy misy heviny  ny fivoriana  sy ny fiangonana tao Jerosalema raha tsy tonga i Jesoa, Zanakondry tsy misy kilema.

Fanontaniana:

Inona  no maha-zava-dehibe ny fiantsoan’i Jesoa ny kristiana hijoro ho vavolombelony ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !