Mofon’aina – TALATA 09 MAY 2017

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:2 Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda;3 ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:4 dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina5 sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.6 Ary, indro, Izaho efa nanome an’ i Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, ho namany; ary ny fon’ izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.8 sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona,11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ ireo.
EKSODOSY 31 :1-11

NY FAHENDRENA OMEN’NY TOMPO

Rehefa miantso  mpanompo Andriamanitra  dia manome azy ireny  fahendrena. Ny fahendrena  omen’ny Tompo :

1- Ikendrena asa kanto

Eo  amin’ny and  4 no ahitana  fa rehefa  omena  ny fanahy  st fahendrena  ny olona nofidin’ny Tompo  dia ikendrena ny  mba hiheverany hanao  asa kanto  izany . Tsy  eo  am-panaovana  ihany, fa  vao   eo am-piheverana ny asa  sy ny raharaha  koa aza. Asa kanto  no andrasan’ny Tompo  amintsika , matoa omeny  ny Fanahiny isika . Katsaho   ny handraisana ny Fanahy sy fahendrena  avy amin’ny Tompo  , amin’ny komity  sy fiheveran-draharaha , ary  amin’ny fivoriana hanapan-kevitra dia  tsy hanao  kitoatoa , na hananga-tànana foana tsy am-piheverana  handany hevitra  iray isika . Tsarovy   fa mikendry  ny hanaovantsika asa kanto  ny Tompo   matoa  manome antsika ny Fanahy   sy fahendrena  avy Aminy .

2-Ikendrena  fankatoavana an’ Andriamanitra 

Eo  amin’ny and 6b indray  no ahitantsika  fa i Oholiaba  sy ny namany dia nasian’ny Tompo  fahendrena  koa tao  am-pony  , mba  hanaovany  asa mifanaraka  amin’ny Tenin’ny Tompo  nampitondraina an’i Mosesy . Fitaomana ny olona hankato  an’ Andriamanitra  eo am-panaovana  asa no tiana hambara  amin’izany. Tsara  hotandremana  àry  ny miasa  sy manompo  tsy araka ny teny , na sitrapon’ Andriamanitra fa tsy fahendrena avy amin’ny Tompo ny toy izany .

Fanontaniana:

Inona ny hevintsika  ny amin’ireo  mpino  ary mety  ho  anisany  isika , izay  manao  ala sa fay  amin’ny fanompoana  sy famitana ny adidy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen