Mofon’aina – TALATA 17 MAY 2017

12 Ary Saoly natahotra an’ i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.13 Koa dia nesorin’ i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy.14 Ary Davida dia hita fa hendry tamin’ izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.15 Ary nony hitan’ i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.16 Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an’ i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.
I SAMOELA 18 : 12 – 16

FAHENDREN’ANDRIAMANITRA MOMBA NY MPANOMPONY

Toe-panahy nampiavaka an’i Davida hatramin’ny fahazazany ny mitia ny rahalahiny. Amin’ity tantara ity dia miseho ny fitiavany an’i Saoly na dia nitady hamono azy aza izy. Noho ny fiarahany mandeha amin’ Andriamanitra fitiavana no mahatonga izany.

1-Aoka isika hanamasina ny Tompo ao am-pontsika

« Ary Davida dia hita fa hendry tamin’izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy » (and 14). Azo lazaina eto fa nitondra ny fanatrehan’Andriamanitra tamin’izay rehetra nataon’ i Davida. Noho izany no  hitarihana antsika koa mba  handray an’i Jesoa Kristy hanapaka ny fiainantsika. Aoka hanaiky hanetry tena eo ambanin’ny tàna-mahery isika dia hahita fifaliana amin’izay hatao. Miara-dàlana amintsika ny Tompo ka ekeo ny fombàny.

2-Tanteraho ny asa voatokana ho anao

« Fa ny Israely sy Joda rehetra kosa tia an’i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy » (and 16). Tandindon’ilay Mpiandry tsara tokoa i Davida eto fa nanatanteraka  ny fiandrasana ireto ondrin’ Andriamanitra. Tsy nataony   ho zavatra  akory  ny hanambady  ny zanakavavin’i Saoly fa ny asa  voatokana  ho anjarany no nataony tsara. Aoka  tsy hitady voninahitra   amin’ny fanompoana isika  fa mba  hanatanteraka amin-joto ny asa nomen’ny Tompo antsika. Porofon’ny fankasitrahana  ilay nanome ny asa  ny fanatanterahana izany amin’ny fifaliana  sy fitiavana.

Fanontaniana:

Fantatrao ve izay nataon’ny Tompo  tamin’ny fiainanao ho mariky  ny fombany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !