1 Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.2 Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.3 Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany.5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.7 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.8 Dia hoy ny adala tamin’ ny hendry: Mba omeo kely amin’ ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.13 Koa amin’ izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
MATIO 25 :1-13
Mbola natao ho an’ny kristiana ve ny Didy folo nomen’ Andriamanitra izay efa naharitra 3500 taona izao ? Fa velona sy mahery ny Tenin’ Andriamanitra , teny miaina amin’ny taona rehetra mifandimby ny Baiboly ary tena sahaza mandraka izao ny fanambarana rehetra ao .
1-Mitomboa amin’ny fahalalana Tenin’ Andriamanitra
« Ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany » (and 4). Ny solika fitaiza dia azo hanoharana ny Tenin’ Andriamanitra noraisina sy notehirizina hiatrehana ny fiainana. Sady nanana fitondrana solika no nanana solika tamin’ny fanalany ny virjina hendry eto. Tsy ampy velively izany ny mihaino toriteny isak’ alahady fotsiny fa tokony handray izany koa isanandro ny mpino rehetra mba hivelomany, mba hirehitra ny jirony.
2-Mahareta amin’ny finoana an’i Jesoa Tompo
« Ary raha naharitra ela ny mpampakatra dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory » (and 5). Raha tsy nisy antso dia tavela teo ireo virjiny rehetra. Tsy maintsy manezaka mafy hatrany ny mpiantso mba hamoha ireo matory tahaka izao. Tokony haharitra miaraka amin’ny mpiantso ny antsoina hiatrika fampakarambadin’ny zanakondry, dia isika rehetra izany. Ireo virjiny adala dia lasa nividy solika tamin’ny fotoana fitsenana ny mpampakatra. Rehefa maharitra amin’ny finoana isika dia tsy mivily saina amam-panahy.
Fanontaniana:
Inona no refy ahalalanao ny fitomboanao sy ny faharetanao ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !