Mofon’aina – ZOMA 26 MAY 2017

11 Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin’ ny loholona sy ny zava-manan-aina efatra, dia niankohoka teo anoloan’ ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin’ Andriamanitra12 nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an’ Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.13 Ary ny anankiray tamin’ ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? 14 Fa hoy izaho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry.15 Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’ alina eo amin’ ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra azy.16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.17 Fa ny Zanak’ ondry Izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony. »
APOKALYPSY 7 :11-17

Vanim-potoana  tsy maintsy  hanatanterahan’ny Tompo  izay efa  nolazainy no miseho  sahady  eto dia ny fahitana ireo  mpanompo  mahatoky  miray  feo  manome  Voninahitra an’ Andriamanitra . Mampiharihary  izao   fa misy  tokoa  ny fikasan’ Andriamanitra tsy takatry   ny saina.

1-Mamonjy ny olona  amin’ny Ran’ny Zanakondry

« ary  ny akanjony nosasany sy nofotsiany  tamin’ny Ran’ny Zanakondry »  (and 14a). Ny fotsy   no lokon’ny  fandresena  , izany hoe : voatafy  famonjena  ny olona   rehefa   nanatona  mba  hodiovin’ny Ran’i Jesoa Kristy  ary  tsy  manota  intsony  . Ny finoana ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny nanolorany ny tenany  ho toy  ny Zanakondry natao  sorona  no hahaizantsika manome Voninahitra  Azy  dieny  izao.

2-Mamelona  fanantenana momba  ny ho avy

« ary  ilay mipetraka eo ambonon’ny seza fiandrianana  dia hamelatra ny tranolainy handrakotra  azy » (and 15b). Feno  fanomezan-toky  ny Tenin’ Andriamanitra  raha manambara ilay fonenana mandrakizay  hovantanin’ny  mino  rehefa miala ety. Tsy  misy fahoriana  intsony  ary  miara-mitoetra Aminy  isika  izay  naharitra  tamin’ny finoana  sy ny fitandremana  ny didiny . Miseho  tokoa ny fahendren’ Andriamanitra tsy takatry ny saina  nefa  hinoantsika  dia mahazo  mialoha  ny anjara tsara  amin’izao  teny  izao isika .

Fanontaniana :

Efa  no tafianao  ve ny  fitafiam-pamonjena ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !