Mofon’aina – TALATA 30 MAY 2017

1 Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema;2 ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ ny finoana, amin’ ny fitiavana, amin’ ny faharetana.3 Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,4 mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,5 hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’ Andriamanitra.
TITOSY 2 :1-5

Ny tanjon’ny fampianarana Soratra Masina dia mizara roa miavaka tsara : ao ny handraisana famonjena fa ao indrindra koa ny hananana fahaiza-miaina mifanaraka amin’ny Filazantsara. Ny taratasy nalefan’i Paoly ho an’i Titosy eto dia mikendry mba hananan’ny fiangonana tao Kreta ireo teo anatrehan’ny olona tsy mino tao an-tànanany.

1-Ampiharo ho fiainana ny Filazantsara

Miova tsy toy ny an’izao tontolo izao ny fitondrantenan’ ireo miaina sy mampihatra ny Filazantsara ao amin’ny fiainany andavanandro . Manana toetra mendrika, ho hendry araka ireo voatanisa rehetra eto .Manana fiainana milamina sy voarindra ny olona manaraka izay fampianarana nomen’ny Soratra Masina.

2-Asehoy amin’ny fitondrantena ny Filazantsara

Mitaona ny manodidina hitady ny fototra mahatsara ny fiainantsika ny fanehoana amin’ny fitondrantena ny Teny. Na ny lehilahy anti-panahy na ny vehivavy anti-panahy dia ho samy fakan-tahaka eo anatrehan’ireo tanora fanahy rehefa maharitra maneho fitondrantena tsara eo imason’ireo. Ampirisihana isika samy handray sy hizara ary hampianatra ny teny avy amin’ny Soratra Masina mba hisy maro hamelona fanantenana indray ka ho vonton’ny Filazantsara ny manodidina antsika.

Fanontaniana :

Inona ny fomba tsotra  hitanao hampiharana sy hanehoana ny Filazantsara ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !