Mofon’aina – TALATA 06 JONA 2017

16 Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.17 Ary mitandrema ianareo noho ny amin’ ny olona; fa hatolony ho amin’ ny Synedriona sy hokapohiny ao amin’ ny synagogany hianareo;18 ary ho entiny eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ ny jentilisa.19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’ izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin’ izany ora izany izay holazainareo.20 Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
MATIO 10 :16-20

NY VAVOLOMBELON’I JESOA KRISTY

1-Misy mpanenjika

Mampiomana  sy mampitandrina ny  mpianatra ny Tompo  fa tsy mora ny fanatanterahana ny asany. Ny tontolo  anirahana  an’ireto mpianatra hitoriana  ny Filazantsara  dia ahitana hatrany ireo fahavalo . Koa mila mitandrina tsara isika .Tokony hatao ho  zava-dehibe hatrany ny famitana ilay iraka amin’ny fampiharana  eo amin’ny fiainana ny fampianarana  efa nomen’ny Tompo. Tarihana araka izany isika fa tsy asa mora  ny fijoroana ho vavolombelon’ i Jesoa Kristy sy ny fitoriana  ny Filazantsara. Raha  tojo zava-manahirana isika fiangonana  dia aza kivy  na  mihemotra  fa efa nampiomana antsika Izy.

2-Homban’ Andriamanitra

Miezaka hatrany ny fahavalo  hanakana ny asa fitoriana ny Filazantsara. Tsy mijanona amin’ny fanenjehana ihany mantsy ny fitondrana ny Anaran’i Jesoa Kristy  fa tonga hatramin’ny fisamborana  sy ny fitsarana aza. Mampanantena anefa ny Tompo  fa rehefa miseho tokoa izany dia tsy tokony hanahy ny mpianatra.  Tsy  mamela ny olona hiady irery ny Tompo. Ny Fanahy Masina izay efa nomen’ny mpino Azy no solovava mampiteny  izay  lazaina fa mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Fanehoana izany fa momba mandrakariva ny Fiangonana  amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny  Tompo .Matokia fa tsy avelany ho resy tosiky ny fahavalo ny fiangonany.

Fanontaniana :

Nahoana no misy olona menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo eo amin’ny fiainana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !