1 Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra.2 Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesoa Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana;3 ary izaho, raha tany aminareo, dia azon’ ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;4 ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ ny fanehoan’ ny Fanahy sy ny hery,5 mba tsy hiorenan’ ny finoanareo amin’ ny fahendren’ ny olona, fa amin’ ny herin’ Andriamanitra ihany.
1 KORINTIANA 2 :1-5
NY FANAHY MASINA SY NY FITORIANTENY
1-Maneho ny zava-miafina ao amin’ Andriamanitra
I Jesoa Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana ho famonjena ny olombelona rehetra no vontoatin’ny Filazantsara notorian’ i Paoly Apostoly. Nitarika azy tamin’izany asa fanompoana nanirahana azy izany Fanahy Masina. Niaina tamin’ny fanetrentena izy noho izany ka tsy nampiasa ny fahaizana amam-pahendren’olombelona izy, teny tsotra mora raisina no nataony. Nialany ny fahaizana mandahan-teny, ny teny marevaka . Mitarika koa izany fa rehefa mitory ny Filazantsara dia ny tena vontoatin’ny hafatra, ny zava-miafina ao amin’ Andriamanitra tokony ho fantary ny olona no ambara . Ampy entina miatrika izany ny Fanahy Masina.
2-Mampiorina ny finoana ananan’ny mpino
Ambaran’i Paoly Apostoly eto fa tsy fampisehoana ny fahaizana amam-pahalalana na ny fahendren’olombelona ny fitorianteny nataony . Ny zava-dehibe aminy dia ny hahatonga ny olona mihaino azy handray marina ny hafatra avy amin’ Andriamanitra ka ho tonga amin’ny finoana marina. Tsy miankina tamin’ny fahendren’olombelona izy , noho izany . Azo ambara fa malemy sy tsinontsinona ny fahendren’olombelona ka dia ny herin’ Andriamanitra no hiankinany. Ny fahefana sy ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra no nilainy mba hahatonga ny olona ho amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy .
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen