1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao.2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesoa Kristy no avy amin’ Andriamanitra;3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesoa dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy.
1 JAONA 4 :1-3
NY FANAHY MASINA SY FAMPIANARANA MARINA
1-Aza mino ny Fanahy rehetra
Mitarika ny sain’ny kristiana i Jaona fa misy fanahy maro samihafa miasa eo anivon’izao tontolo izao. Fanahy samy manana ny maha- izy azy sy ny fampianarana entiny. Miasa ao anatin’ny olona ireny fanahy ireny noho izany dia misy ireo mezaka mandrakariva mivoy sy manapariaka fampianarana araka izany fiheverana izany. Misy noho izany ny mpampianatra sandoka, ny mpaminany sandoka. Vokatra izany dia misy ny fampianaran-diso mifanohitra amin’ny tena afahamarinana araka an’ Andriamanitra. Araka izany, raha misy olona mijoro mitondra fampianarana mampitodika, mitondra ny fiainanao ho aiza izany fampianarana izany ?
2-Izahao toetra ny fanahy
Mampianatra eto ny mpanoratra : « izahao toetra ny fanahy ». Toa midika izany hoe:tsapao, sedrao. Ny fitsapana na ny fisedrana dia atao hamaNntarana ny fahamarinan’ny zavatra iray (ohatra: volamena). NY fanahy azoekena ho marina dia izay mitondra amin’ny finoana marina. Fampianarana manaiky fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra , ilay voahosotr’ Andriamanitra , tonga ety an-tany ho famonjena izao tontolo izao no fanahy azo inoana Ny fanahy manohitra izany dia tsy mitondra fampianarana sy finoana kristiana marina .Fantaro ny fampianaram-pinoana marina.
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !