Mofon’aina – ALATSINAINY 19 JONA 2017

12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray.13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka.14 Raha mangataka zavatra Amiko amin’ ny anarako ianareo, dia hataoko izany.15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.16 Ary Izaho hangataka amin’ ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,17 dia ny Fanahin’ ny fahamarinana, Izay tsy azon’ izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
JAONA 14 :12-17

NY FANAHY MASINA  MITOETRA AO AMIN’NY  MINO

1-I Jesoa mankany  amin’ny Ray

Vitan’i Jesoa  ny asa  notanterahiny tety an-tany   amin’ny famonjena izao  tontolo izao. Miakatra  ho  any amin’ny Ray  any  an-danitra  i Jesoa. Mifarana  hatreo  ny maha- olona  an’i Jesoa. Miditra  any amin’ny voninahiny  i Jesoa  Kristy. Ampirisihan’i Jesoa Kristy   ny mino  hangataka  zavatra  amin’ ny Anarany mba hahavita  ny asany (and 13). Andriamanitra  ivavahana  i Jesoa. Mampirisika  ny mpino   hivavaka  aminy Izy. Manafatra  ihany koa  i Jesoa  hanohizana ny asany. Tsy  hita  vatana intsony ny Tompo, fa Andriamanitra  Fanahy. Tsy eto   an-tany  intsony   araka ny  nofo i Jesoa  fa ny asany dia tohizan’ny mpianatra  sy ny mpino. Asa lehibe  no ataon’ny mpino   amin’ny fananganana  ny Fiangonana  sy ny fitoriana  ny Filazantsara  ary ny fijoroana ho vavolombelona.

2-I Jesoa  mangataka  amin’ny Ray  ny Fanahy Masina

Ho  an’ny mpianatra  sy ny mpino  no hanomezan’i Jesoa ny Fanahy Masina. Antony  maro  no anaovan’i Jesoa  Kristy izany. Mpiaro  ny mpino  ny Fanahy Masina. Mpanampy ny mpino  ny Fanahy Masina  amin’ny fahalemeny mety hihatra  aminy. Mpampahery ny mpino  ny Fanahy Masina amin’ny fizahantoetra  sy fitsapana  ary ny fahoriana  hatrehany. Mpisolovava  ny mpino  ny Fanahy Masina  eo amin’ny fitsarana  hihatra  aminy. Tsy lavitra  antsika ny Tompo fa sady  ao anatintsika no eo anilantsika, saingy  izao tontolo izao  tsy mahita Azy (and 17).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !